• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Fampisitrahana angovo : Anisan’ny firenena voalohany hahazo amin’ilay 30 dolara fanampiana avy amin’ny BAD i Madagasikara

05/07/2024 11:55 © Moov

Nandray anjara tamin’ny Africa Energy Forum 2024 (AEF) i Madagascar. Notanterahina tany Barcelone (Espagne) ny 25 hatramin’ny 28 Jona 2024 lasa teo izany fivoriana izany. Miompana kokoa tamin’ny angovo ny votoatiny ny fivoriana. Nandritra izany no nanambaran’ny BAD fa hanokana vola 30 milliards Dolara izy ireo mba hampisitraka herinaratra ho an’ny afrikanina miisa 300 tapitrisa amin’ny taona 2030. Anisan’ny hahazo ny anjarany amin’izany i Madagasikara.

Anisan’ireo laharam-pahamehana

Anisan’ny hisitraka voalohany izany fanampiana izany i Madagasikara miaraka amin’ireo firenena miisa 12 hafa. Anatin’ireo firenena 50 mahery eto Afrika dia notsongaina manokana ireo 12 ireo hahazo tohana manokana voalohany. Tanjona ao anatin’izany ny fanatrarana ny tanjona fampisitrahana herinaratra ho an'ny mponina rehetra tsy ankanavaka. Tapaka izany taorian’ny fivoriana niarahan’ireo Minisitra Afrikanina nasaina ny 25 jona. Ny ho avy sy ny filana angovo eto Afrika no noresahana tao anatin’izany. Nisy ihany koa ny fihaonan’ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo notarihin’ny Minisitra Jean-Baptiste Olivier, tamin’ny solontena avy amin’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD) sy ny Banky Iraisam-pirenena. Araka izany, nitondra fahombiazana ho an’ny Madagasikara indray iny fivoriana lehibe iny.

Fihaonana nahazoana tombontsoa maro

Mpisehatra maro no nandray anjara nandritra ity hetsika ity, anisany ireo mpamatsy vola toy ny Banky Iraisam-pirenena, ny BAD, sy ny avy amin’ny Firenena maro toa an’i Canada, Royaume Uni, Norvège, Etats-Unis. Tao ihany koa ireo manam-pahaizana sy orinasa matihanina isan-tsokajiny. Ho an’ny Madagasikara manokana dia zava-dehibe ho antsika ny nitondra ireo vina sy drafitra nandritra ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo mpisehatra maro. Tanjona ny hahafahana mahazo ny fahatokisan’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka isan-karazany. Tanjona tamin’izany ny fampiroboroboana indrindra ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara. Manan-danja ihany koa ny nahafahantsika Malagasy nanamafy ny fiaraha-miasa tamin’ireo orinasa vaventy misehatra amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto Afrika. Marihina fa zo fototra ny fisitrahana angovo, mandroso ny ezaka hanatrarana izany tanjona izany amin’izao.

Lire la suite

Articles Similaires