• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Imaz Press Réunion
Image
Vaovao

Fanatanjahantena : Manana herijika ho tafita amin’ny dingana famaranana ny CAN 2025 ny Barea

05/07/2024 11:06 © Moov

Vita omaly ny antsapaka tamin’ny fifanintsanana ho amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Afrika amin’ny taranja Baolina Kitra (CAN). Ao anatin’ny vondrona A no misy an’ny Madagasikara, miaraka amin’ny Tunisie, Comores ary Gambie. Raha ny fahitana azy sy ireo lalao tamin’ireo ekipa ireo teo aloha dia manana hery ny ho tafita amin’ny dingana famaranana ireto ekipam-pirenena ireto.

Hahazo tapakila

Tanjona ho an’ny Barea ny handray anjara indray amin’ny dingana famaranana ny CAN 2025 toy ny tamin’ny taona 2019. Manana fanantenana ny hiatrika izany ireto ekipam-pirenena ireto. « Tsy misy ny ekipa mahay na tsy mahay fa tsy maintsy heverina ho manana ny maha-izy azy avy ireo ekipa telo ireo. Azoko ambara kosa anefa fa afaka ary azo atao tsara ny mahazo ny laharana voalohany amin’ireo ekipa ireo ary mahazo ny tapakila handraisana anjara amin’ny CAN », hoy ny mpanazatra ny Barea, Romuald Rakotondrabe na i Coach Roro. Raha tsiahivina dia ny taona 2019 nandritra ny fifanintsanana ho an’ny CAN ihany koa no nifanandrinan’ny Barea tamin’ny ekipan’ny Tunisie farany. Resy tamin’ny isa 3 sy 0 ny Barea tamin’izay fotoana izay. Io ihany koa no ekipa mety hoe mafimafy fa tsy azo tsinontsiniavina anefa ireo ekipa hafa. Ny fanomanana no mamaritra ny vokatra tsara amin’ity lalao ity.

Mila fanomanana matotra

Mety ho azontsika io tapakila handraisana anjara amin’ny dingana famaranana ny CAN io raha matotra tsara ny fanomanana amin’ireto lalao telo ireto. Ao anatin’izany avokoa na ny lalao mandroso na ireo lalao miverina. Zava-dehibe araka izany ireto fanomanana ireto. Raha i Gambie sy Tunisie dia efa samy nandray anjara tamin’ny famaranana ny CAN farany teo izy ireo. Izany no hanamarihana fa tena mila fahamatorana sy ezaka mafy be avy amin’ireo mandrafitra ny ekipa ny fanomanana ireo lalao rehetra ireo.
Marihana fa miisa 48 ireo firenena handray anjara amin’ity lalao fifanintsanana amin’ny CAN 2025 ity. Roa isaky ny vondrona no handray anjara amin’ny dingana famaranana. Hotanterahina any Maroc ny 21 desambra 2025 hatramin’ny 18 janoary 2026 moa ny lalao.

Lire la suite

Articles Similaires