• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Foloalindahy
Image
Vaovao

Fanompoam-pirenena : Hanomboka rahampitso ny fitsarana miaramila

05/07/2024 09:35 © Moov

Hanomboka rahampitso ary hifarana ny 13 oktobra indray ny fitsarana miaramila ho amin’ity taona 2024 ity. Ireo zatovolahy sy zatovovavy mizaka ny zom-pirenena malagasy ary 19 taona hatramin’ny 31 taona no antsoina amin’izany. Izany hoe ireo izay teraka ny 1 janoary 1993 hatramin’ny 31 desambra 2005 izany.

Hatomboka eo amin’ny Kianja Betongolo

Ny Kianja Miaramila Betongolo no handray amin’ny fomba ofisialy ny fanombohana ity fitsarana miaramila ity ho amin’ny rahampitso. Tsy hifarana izany raha tsy ny 4 aogositra izao. Aorian’izany dia handray ny anjarany indray ireo any amin’ny renivohi-paritany rehetra teo aloha. Hanomboka ny 17 aogositra hatramin’ny 24 aogositra izany. Rehefa vita indray izany dia amin’ireo toerana ireo dia hanomboka indray ny eny amin’ireo renivohitry ny Distrika sy ireo Kaominina rehetra. Tsy maintsy hifarana ny 13 oktobra kosa ity hetsika ity manerana ny faritanin’ny Madagasikara. Marihina fa na aiza na aiza no toerana hanatanterahana ny fitsarana miaramila dia maimaimpoana izany.
« Ny karapanondro irery ihany no entina rehefa mitsara miaramila. Ankoatra izay ny penina manga hanoratana fa tsy misy ny vola aloha », hoy ny Talen’ny Fanompoam-pirenena sy ny fitantanana ny fiandry, ny Jeneraly Raoilison Robert. Manomboka amin'ny 8ora maraina ka hatramin'ny 3 ora tolakandro izany. Marihina fa misy foana ny fitsarana miaramila na Sabotsy na Alahady mandritra io fotoana io. Ho an'ny eto Antananarivo dia eny amin'ny Kianja Betongolo no fotoana.

Manamora fikarakarana taratasy ankoatra ny maha adidy azy

Adidy ny fanatanterahana ny fitsarana miaramila. Araka ny didy hitsivolana 078-002 ny 16 febroary 1978, ao amin’ny andininy faharoa, ny olompirenena rehetra dia tsy maintsy manefa ny adidy amin’ny fanompoam-pirenena. Ao amin’ny andininy fahatelo kosa dia milaza fa ny fitsarana miaramila dia adidy amin’ny fanompoampirenena. Araka izany dia mahazo tombony ny nahavita izany amin’ny fanefana adidy. Etsy andaniny anefa dia manamora ny fikarakarana taratasy ihany koa ny fahavitana izany. Ilaina amin’ny fanamboarana pasipaoro ny karatra fanamarinana ny fanompoam-pirenena na ny « carte verte ». Ilaina ihany koa izy io amin’ny fikarakarana taratasy hafa toy ireo amin’ny fanadinam-panjakana samihafa. Nanamarika ihany koa ity Telan’ny Fanompoam-pirenena ity fa misy ny sazy mihatra amin’ireo izay tsy manao ny fitsarana miaramila. « Mbola tsy amin’ny fampiharana izany sazy izany isika amin’izao fotoana izao fa mbola ao anatin’ilay manentana aloha », hoy izy tamin’ny fanazavana nentiny.

Lire la suite

Articles Similaires