• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Alaotra Mangoro : Manomboka ny fisamborana mpamono mpiambina ala

05/07/2024 08:54 © Midi Madagasikara

Nihetsika ny zandary taoriana ny fitoriana nipetraka mahakasika ny famonoana ho faty ny filoha lefitry ny Vondron’Olona Ifotony (VOI).

Sarona tao Vohidiala ny olona voalohany izay voarohirohy ho tompon’antoka mivantana tamin’ny famonoana. Tazomina ao amin’ny zandary ao Moramanga io farany ary mety ho lava ny fanadihadiana satria mety ho nisy mpiray tsikombakomba izy tamin’ny fanatontosàna ny heloka bevava. Tsiahivina fohy fa tsatok’antsy am-polony no nahafaty an’ilay rangahy izay efa lehibe amin’ny taona kanefa nanokana ny tenany tamin’ny fanaraha-maso ny ala. Roa taona talohan’io dia efa maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana koa ny filohan’ny VOI tamin’izany fotoana ary dia mbola tao Beparasy koa no nisehoan’izany heloka bevava izany.

Manelingelina ve ireny olona ireny ka fofoina hatramin’ny ainy? Raha izany no zava-misy mantsy dia azo inoana fa mbola ireo lava tànana koa no ao ambadiky ny raharaha. Betsaka rahateo ny zava-misy ao anatin’ny ala ary saika voakasiky ny fanondranana avokoa ny ankamaroany. Ao ny biby arovana izay iaraha-mahalala fa tena isan’ny volaben’ny mpanondrana. Ao koa ny hazo sarobidy izay isan’ny misy izany iny alan’Alaotra iny. Ao koa anefa ny fangalaran-tany ao anaty ala sy ny halatra hazo samihafa. Inona fa ho lasa lavitra ny fanadihadiana izay mandeha ary hiantefa any amin’ireo atidoha mpikotrika ny fanimbàna ny ala sy ny tontolo iainana.

Lire la suite

Articles Similaires