• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Famatsiana herinaratra : Mitohy ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo

04/07/2024 15:20 © Moov

Roa andro izay no niaina fahatapahana-jiro mifandimby ny mpisitraka herinaratra ao anatin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA). Mbola mitohy hatrany izany mandra-pivaha ny olana. Tsiahivina fa noho ny fahatarana amin’ny famatsiana solika mavesatra mampihodina ireo milina mpamokatra herinaratra saika manerana an’i Madagasikara no nandraisana izany fanapahan-kevitra izany.

Haharitra ora roa indray

Naharitra adiny iray sy sasany ity fahatapahan-jiro ity nanomboka ny talata teo. Raha ho an’ity alakamisy ity dia nitombo indray ny ora hahatapahany. Ora roa indray no isaina isaky ny toerana amin’ity alakamisy ity. Eo anelanelan'ny amin'ny 12 ora atoandro sy amin'ny 5 ora hariva sy eo anelanelan'ny amin'ny 10 ora alina sy amin'ny 4 ora maraina izany no ho tsapan’ireo mpisitraka. « Tsy maintsy tsitsiana ny solika misy eo am-pelatanana satria mbola tsy voafaritra mazava ny fotoana haharetan’ny olana », hoy hatrany ny fanambarana navoakan’ny avy ao amin’ny JIRAMA tao amin’ny pejin’izy ireo. Miankina amin’ny fiverenan’ny famatsiana solika mavesatra na tsia no hitohizan’izany fahatapahan-jiro mifandimby izany eto amin’ny RIA. Ireo mpiasa tena no mila mandamina ny fandaharam-potoanany indrindra izay manenjika asa sy kaomandin’olona.

Mety ho an’ny faritra rehetra

Mila miomana sahady ireo any amin’ny faritra ivelan’Antananarivo amin’ity olan’ny famatsiana herinaratra ity. Ilay famatsiana solika mavesatra mihitsy no olana ka mety hiantraika manerana ny Nosy izany. Raha ny eto Antananarivo aloha dia toerana maro no efa nambaran’ny JIRAMA fa ahitana io fahatapahan-jiro io. Miisa 149 ireo toerana nambaran’ity orinasa ity fa hiaina io fahatapahan-jiro io amin’ity anio ity. Ohatra amin’izany Ampasika, Bemasoandro, Ambonisoa, Alatsinainy Ambazaha, Ambatomirahavavy, Imerintsiatosika, Ampefy, Soavinandriana, Ambohidrapeto, Ankadimbahoaka, Tanjombato, Mandroseza, Ambohipo sy ireo tanàna maro hafa.

Lire la suite

Articles Similaires