• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fandaharanasa FORMAPROD : Namorona asa 53.128 isa ho an’ny tanora tantsaha

04/07/2024 14:45 © Moov.Mg

Nanova fiainana mponina maro, izay mivelona amin’ny fambolena sy ny fiompiana, ny fandaharanasa FORMAPROD (Programme de Formation Professionnelle et d'Amélioration de la Productivité Agricole), tamin’ireo fanofanana isan-karazany natolony. Nifarana tamin’ny fomba ôfisialy omaly 3 jolay 2024 ity fandaharanasa ity.

Tratra ny tanjona

Tao anatin’ny 10 taona, dia tanora 105.624 isa no nisitraka fiofanana ara-pamokarana tany amin’ireo Faritra miisa 14 niasan’ny fandaharanasa FORMAPROD, raha miisa 100.000 no nokendrena, izay manome salan’isa 103%. Nahatratra 81.465 isa kosa no nisitraka « kit » ho fampiharana ny fiofanana azo, manodidina ny 35.410 ireo nahazo tohana nahafahany nanomboka ny asa fandraharahany ary 20.320 ireo tanora efa tafiditra ao anatin’ny fandraharahana ara-bola. Hita taratra amin’ireo antontan’isa ireo, fa tratra ny tanjon’ny fandaharanasa. Etsy an-daniny, teo amin’ny lafiny fotodrafitrasa, dia mirefy 4.280ha ny velaran-tany vita fanajariana nanaovana asa fambolena. Ankoatra izay dia ivon-toeram-piofanana misa 64 no naorina sy nasim-panavaozana ary 59 ireo novatsiana fitaovana. Miisa 27 kosa ireo toeram-panodinana sy fitehirizam-bokatra naorina sy nohatsaraina ary 156 km ny lalan-tany vita fanarenana. Raha fehezina dia nahatratra 53.128 ny asa vaovao voaforona tamin’ny tohana nomen’ny fandaharanasa FORMAPROD.

Tantsaha mpamokatra matianina

Raha tsiahivina dia fandaharanasa teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ny FORMAPROD ary ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ho amin’ny Fampandrosoana ny Fambolena (FIDA) no namatsy vola azy. Nomarihin’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ratohiarijaona R. Suzelin, nandritra ny lanonam-pamaranana ny fandaharanasa, fa zava-dehibe ho an’ny Minisitera ny fisian’ny fiofanana sy fanofanana tanora, mba hahatonga ireo tantsaha mpamokatra ho matianina sy hanatsarany ny velon-tenany. Isan’ny nanotrona ity lanonam-pamaranana ity ihany koa ny Tale nasiônalin’ny FIDA eto Madagasikara, Joseph Rostand Biwole, izay nanipika fa tena nahazoana vokatra tsara tokoa ny Fandaharanasa FORMAPROD, ho an’ny tanora Malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires