• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fandidiana fo misokatra CENHOSOA : maimaimpoana ny fandidiana zaza manana olana amin’ny fo mandritra ny dimy taona voalohany

04/07/2024 14:42 © Moov

Afaka mifaly ny Malagasy. « Hodidiana maimaimpoana ireo zaza rehetra manana olana amin’ny fiasan’ny fo na ireo manana fahasembanana amin’ny fo » izany no nambaran’ny Filoham-pirenena nandritra ny fitokanana ny toeram-pandidiana fo misokatra vaovao ao amin’ny Hopitaly Miaramila CENHOSOA. Mandritra ny dimy taona voalohany hisokafany no hanatanterahana izany hetsika ho an’ny vahoaka izany. Hiarahana miasa amin’ny Association Chaine de l’Espoir moa izany hetsika izany.

Mpitsabo eto an-toerana sy avy any ivelany

Mpitsabo malagasy sy mpitsabo vahiny no miara-misalahy amin’ity fandidiana fo misokatra ity eto Madagasikara. Voalohany eto Madagasikara izany ka tsy maintsy mbola misy tohana avy amin’ireo manam-pahaizana vahiny aloha amin’izao fiantombohany izao. Ny tanjona anefa dia ny hahafahan’ny Malagasy hahaleotena tanteraka amin’izany fomba fitsaboana izany. Tsara ny manamarika fa efa nanaraka fiofanana tany Frantsa, Sénégal, Dakara ary La Réunion ireto mpitsabo Malagasy ireto vao niditra tamin’izao fandidina aty an-toerana izao. Raha hampatsiahivina ihany koa dia efa miisa 4 amin’izao fotoana izao ireo zaza nodidiana fo misokatra hatramin’ny nisokafan’ny toeram-pitsaboana. Nahomby avokoa izany fandidiana rehetra izany.

Maro ny zaza mila fandidina

Nanambara ihany koa ny Filoham-pirenena nandritra ny fandraisam-pitenenany fa maro ireo zaza malagasy no mila ity fitsaboana ity. « Maro amin’ireo fianakaviana ireo anefa no tsy manana fahefana ny hivoaka any ivelany. Marihina anefa fa raha tsy voatsabo io aretina io dia miandry ny ora hahafatesany fotsiny sisa ilay zaza », hoy ny tenany tao anatin’ny fanazavana. Izany no nandraisana ity fitsaboana ity ho zava-dehibe. Tsy handoa vola mihitsy ireo Ray aman-dReny mandritra ny fitsaboana ao anatin’io dimy taona io. Hiara-hiasa amin’ny Chaine de l’Espoir izy ireo. Hanampy ny fiankaviana amin’ny fandidina ireo zaza ireo ity fikambanana ity mandritra io dimy taona io. Ankoatra izay anefa dia efa nanampy tamin’ny fananganana ity fotodrafitr’asa ity ihany koa izy ireo.

Fandidina miisa 180 ao anatin’ny 3 taona

Raha ny vinavinan’ireo mpitsabo dia miisa 180 eo ho eo ny zaza ho didiana ao anatin’ny telo taona monja. Etsy andaniny dia efa vonona ireo mpitsabo ary efa ari-fomba ihany koa ny fitaovana. Ao anatin’izany ny fitaovana entina handidiana rehetra. Efa miasa tsara ihany koa ny efitrano famelomana aina izay ahitana fandriana miisa 4 aloha hatreto sy ireo fitaovana famelomana aina rehetra. Reharehantsika malagasy ny fananana ity toerana vaovao ity ary indrindra hanampy ny Malagasy hanala ny fahasahiranana. Araka ny fanambaran’ny Filoha hatrany dia vinavinaina ho atsangana ihany koa ny toerana fandidiana fo ho an’ny olon-dehibe.

Lire la suite

Articles Similaires