• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Fandriam-pahalemana : Ravan'ny Polisimpirenena ny tambazotran-jiolahy mpanao fakàna an-keriny tany Amparafaravola

04/07/2024 14:23 © Moov

Ravan'ny Polisimpirenena tamin'ny alalan'ny fiarahamiasa nisy teo amin'ny Brigade Criminelle, ny Kaomisarian'Ambatondrazaka, ny Kaomisarian'Amparafaravola sy ny FIP ny tambazotran-jiolahy mpanao fakàna an-keriny tany Ambodirano, Amparafaravola. Anisan’ny nivoitra nandritra ny valan-dresaka nataon'i Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Rakotoarimanana Herilala izany.

Fongorona ny fakana ankeriny

Toerana hahenoana tranga fakana ankeriny matetika iny Distrikan’Anjozorobe sy Amparafaravola iny. Noho ity hetsika ity dia tratra ireo atidoha nikotrika izany asa ratsy izany. Amin’izao fotoana izao, vokatr’io fidianana an-tsehatra io dia jiolahy miisa roa no tratra. « Nandray anjara mivantana tamin'ny fakana ankeriny ireto jiolahy roa rain-dahiny ireto, Bilo sy Karata izany. Lavon'ny Polisy tao amin'ny Fokontany Moratelo, Kaominina Ambodirano ny 01 jolay 2024 teo izy ireo rehefa natao ny fikarohana », hoy hatrany ny tatitra avy amin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka. Tanjona lehibe indrindra amin’izany hetsika izany ny hamongotra hatramin’ny farany ny asa fakana ankeriny. Ity farany ity izay indraindray hahafatesana olona mihitsy. Ankoatra ireo jiolahy rain-dahiny ireo dia mbola mitohy hatrany ny asa fikarohana ireny olona rehetra mpiray tsikombakomba ireny. Amin’izao fotoana izao dia efa manao ny ezaka rehetra hiadiana amin’izany asa ratsy izany ny mpitandro filaminana. Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny mponina ihany koa anefa izany asa lehibe izany.

Tratra ihany koa ny zohy fiheren’ny jiolahy

Hita ihany koa ny kizon'ny Beparasy izay toerana fiheren' ireo jiolahy sy fanafenan'izy ireo ny fitaovam-piadiana ampiasainy. Vokatr’izany ary dia basy miisa 06 sy bala maro ary ody gasy no tra-tehaka tao amin'io kizon'ny Beparasy io. Raha ny fanamarihana dia ao amin'ny fokontany sy Kaominina Marotsipohy ao amin’ny Distrikan’Anjozorobe io toerana io. Araka izany dia efa mitombo indray aloha hatreto ny toerana voaaro amin’ny fakana an-keriny any amin’iny toerana iny. Mifanaraka amin’izany, voasambotra tany Ambatondrazaka ihany koa i "Zetra" izay atidoha nikotroka io fakàna an-keriny io. Marihina fa efa hikoizana mihitsy ity Zetra ity amin’io fakana ankeriny io. Tsikaritra izany ao Andilamena, Ankazobe ary Anjozorobe.

Lire la suite

Articles Similaires