• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Faly Andrianarison
Image
Vaovao

Fifaninanana Robotika : Miompana amin’ny sehatry ny fambolena ny robot ho foronina

04/07/2024 12:22 © Moov

Tsy mitsahatra mampisongadina an’ny Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo mpikirakira Robot. Tafiakatra amin’ny dingan’ny famaranana amin’ny fifaninanana Pan-African Robotics Competition (PARC) izay hatao any Sénégal ny Ekipan’ny Robotiako. Miompana amin’ny fambolena ny famoronana hatao amin’ity andiany manaraka ity.

Hampivoatra ny fambolena

Tanjona ho tratrarina amin’ity andian’ny fifaninanana ity ny fampiroboroboana ny fambolena aty Afrika. Araka ny fanazavan’ireto mpikambana ao amin’ny Robotiako ireto dia ny mikasika ny fambolena voatabia no hifaninanana amin’io lalao famaranana io. Efa miketrika ny fomba rehetra hahazoana ny isa ambony indrindra ny ekipa Malagasy amin’izao fotoana izao. « Mizara roa ny famoronana ity robot ity. Voalohany amin’izany ny fampandehanana ilay vatan’ilay robot. Arahan’ny fampidirana « code informatique » izany. Raha ny tokony ho izy dia robot afaka mamboly voatabia izany no tokony hitsangana. Tsy mila baikoana intsony », hoy i Faly Andrianarison, Team Leader Robotiako Madagasikara. Marihina fa tao anatin’ireo mpandray anjara sangany taty Afrika ireto Robotiako ireto tamin’ny alalan’ity fikarohana nataon’izy ireo ity.

Mpandray anjara efa injeniera

Amin’ny maha fifaninana injeniera hoan’ireo mpahay « robot » ity fifaninanana ity dia efa injeniera avokoa ny ankamaroan’ireo mpifaninana. Mifanohitra amin’izany ny ekipa Malagasy izay samy mbola mpianatra avokoa. Tsy matahoatra anefa izy ireo amin’izany fa efa vonona hitondra avo ny anaran’ny Madagasikara. Raha ny fantatra dia mpianatra avy ao amin’ny Polytechnique Vontovorona ny roa amin’ireo ekipa. Iray kosa avy ao amin’ny IT University Andoharanofotsy ary ny iray avy ao amin’ny sampana Mathématique Informatique ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Samy manana ny asany tsirairay avy ireo mpikambana ireo. Iray anefa ny tanjona dia ny handrombaka ny amboara amin’ity fifaninanana ity. Hotanterahina any Sénégal ny 22 jolay izao ity dingana famaranana ity. Efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka izany ny ekipa Robotiako amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires