• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenana
Image
Vaovao

Antenimierampirenena : Solombavambahoaka voafidy tamin’ny tsy miankina 45 hanangana vondrona parlemantera

04/07/2024 09:40 © Moov

Hisy vondrona parlemantera iray vaovao hiforona. Nanatanteraka fivoriana omaly ireo solombavambahoaka voafidy tamin’ny tsy miankina miisa 45. Tapaka tao anatin’izany fa hivondrona ho iray izy ireo ary hanohana ny Fitondram-panjakana.

Tsy hiditra anaty antoko

Nanambara ireto mpikambana vaovao ao amin’ny Antenimierampirenena ireto fa hanangana vondrona vaovao izy ireo. « Tsy hiditra ao anatin’ny antoko pôlitika izay efa manana solombavambahoaka eny anivon’ny Antenimierampirenena izahay », hoy ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’ny Manandriana, Fanomezantsoa Andrianjanahary, omaly nandritra io fivoriana io. Etsy andaniny anefa dia miantso ireo Solombavambahoaka rehetra ao anatin’io vondrona io izy ireo mba samy hitazona hatrany ny maha tsy miankina azy ireo. Izany hoe, samy hiady ho an’ny vahoaka nifidy azy isaky ny Distrika izy ireo raha ny tanjona napetrany na dia manohana ny Fitondram-panjakana aza. Mandritra ny fotoam-pivoriana manokana voalohany no hananganan’izy ireo izany vondrona izany. Izany hoe mety ny 9 jolay ho avy izao izany fivoriana manokana izany.

Mitovitovy fomba fijery

Nanazava ny anton’izany fanapahan-kevitra izany hatrany ity Solombavambahoaka nitondra ny tenin’izy ireo ity fa mitovitovy fijery izy ireo ka isan’ny nahatonga ny fivondronana izany. « Amin’ny maha tsy miankina anay dia azo lazaina ho mitovitovy ny firehana. Mbola misokatra ho an’ireo hafa ihany koa izahay hiaraka hijery ny mahasoa ny vahoaka », hoy hatrany ny tenany. Milaza hatrany izy ireo fa hitondra ny hetahetan’ny vahoaka sy hiezaka hanatanteraka izany, raha ny fampanentanana. Miantso ireo dimy ambiny kosa izy ireo ny hiraisana ho iray hatrany.
Araka izany mizara valo (8) indray izany ny toerana eny anivon’ny Antenimierampirenena. Miisa 84 avy amin'ny antoko IRMAR. Miisa 5 kosa sisa ireo voafidy tamin'ny tsy miankina. 22 avy amin'ny Firaisankina ary 1 avy amin’ny Kolekitifa. Miisa 4 avy amin'ny FIVOI, 1 avy amin'ny GMJP ary 1 avy amin'ny Parti Vert. Hiampy ireto 45 avy amin’ny tsy miankina hivondrona ho iray ireto indray izany toerana ao Tsimbazaza izany.

Lire la suite

Articles Similaires