• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Men
Image
Vaovao

Fuite sujets BEPC - DREN Sofia : Mampianatra iray nosamborina

04/07/2024 07:54 © Moov

Tsy menatra akory ireo mpivarotra « sujets » amin’ny Tambazotra Facebook. Misy kosa ireo manaparitaka izany amin’ny fomba hafa.

Mpampianatra iray no voasambotra‚ mpianatra 18 voarara sy voasakana tsy afaka manohy fanadinana BEPC tao Port Bergé, ny alatsinainy 02 Jolay 2024.
Tratran’ny mpitandro filaminana ampandikana valin’ny laza adina tao an-tranon’io mpampianatra io ireto mpianatra ireto‚ ka noraisim-potsiny. Nahita laza adina mialoha izany ilay mpampianatra ka nanaparitaka izany. Miroso amin’ny fanadihadiana amin’ny fomba nahazahoany ilay laza adina ny mpitandro ny filaminana. Azo antoka ihany koa fa mandeha ny fanadihadihana eto Antananarivo satria maromaro ireo mpivarotra laza adina an’habaka, ary misy ihany koa ireo mpiadina nilaza fa nahita sujets tamin’ny alalan’ny groupe Messenger. Efa saika manao Facebook avokoa moa ireo ankizy mpanala BEPC ka tsy ela mihitsy dia miparitaka ny vaovao.

Famosaviana mpianatra ny fanaparitahana ny laza adina

Fitsapam-pahaizana ny fanadinam-panjakana. Ireo izay mahafeno fepetra, izany hoe manana salan’isa azo ekena, no mahazo ny diplaoma. Diso hevitra tanteraka ireo ray aman-dreny na mpampianatra mampiseho na mividy sujets mba ho fanampiana ireo mpianatra. Famosaviana izany satria mamita-tena ny mpianatra raha afa-panadinana nefa tsy noho ny fahaizany akory.
Tsy azo lavina fa mbola mila fanabeazana na ireo mpampianatra te hahazo volakely na ireo ray aman-dreny te hahita ny zanany afa-panadinana.

Azo antoka fa hamotika ny hoavin’ny ankizy ny « tositosika » heverina fa mahasoa nefa mamosavy. Entanina ireo ray aman-dreny rehetra hanaramaso sy hanampy ny ankizy amin’ny fianarany, toy izay hanao izay hamiratany amin’ny tsy fahamarinana.


Copyright Image : © FB

Lire la suite

Articles Similaires