• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mesupres
Image
Vaovao

Fampianarana ambony : Hampifanarahana amin’ny filàn’ny tsenan’ny asa ny fandaharam-pampianarana amin’ny sehatry ny rano

03/07/2024 12:05 © Moov

Notanterahina teny amin’ny Hôtel Colbert farany teo ny atrikasa momba ny fampianarana ambony eo amin’ny sehatry ny rano ao anatin’ny tetikasa DEFI EAU. Nivoitra nandritra izany fa tsy maintsy hampifanarahana amin’ny filàn’ny tsena amin’izao fotoana izao ny manodidina ity fampianarana ity. Nanokatra ny fivoriana mihitsy ny minisitry ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana amin’ny maha sady minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika azy, ny profesora Fidiniavo Ravokatra.

Tsy ampy matihanina

Nilaza ity minisitra ity fa tsy ampy matihanina amin’ny sehatry ny rano i Madagasikara. Izany indrindra no nilazana ny maha-zava-dehibe ity tetik’asa ity. « Tsy vitan’ny hoe tsy ampy ny teknisianina fa tsy ampy ihany koa ny fampiofanana sy ny fandaharam-pianarana manodidina ity sehatra ity », hoy hatrany ny minisitra. Araka izany, avy amin’ny alalan’ity tetikasa ity dia mety hisy ny fampifanarahana ny fandaharam-pampianarana any amin’ny ambaratonga ambony amin’ny sehatry ny rano. Hojerena ao anatin’izany ihany koa ny famaritana indray ny filan'ny sehatra tsy miankina sy ny sehatra ara-toekarena amin'ny resaka rano, fanadiovana ary ny fidiovana. Mbola malalaka rahateo ny lalana sy ny tsenan’ny asa ho an’ireo tanora ka tsy maintsy ampiana sy hampivoarina izany sehatra izany. Marihina moa fa maharitra 36 volana ity tetikasa DEFI EAU ity ka afaka ny hanome fahafahana vaovao ho an’ny tanora maro ao anatin’izany. Raha tsiahivina dia tetikasa hamolavolana fiofanana matihanina ho an’i Madagasikara amin’ny sehatry ny rano izy io.

Fiaraha-miasan’ny Oniversite miisa 9

Fandaharan’asa iarahana amin’ny Vondrona Eoropeanina amin’ny alalan’ny programa Erasmus+ ity tetikasa ity. Amin’ny ankapobeny dia fanamafisam-pahaiza-manao no tena atao ao anatin’io programa io. Mampivondrona oniversite nasionaly sy any ivelany maro izany. Ao anatin’izany ohatra ny Oniversiten’i Limoges, La Réunion (Frantsa), Liège (Belzika), Vasile Alecsandri de Bacău (Romania), ny oniversiten’Antananarivo sy Antsiranana, ary ireo « Instituts Supérieurs de Technologies » ato Antananarivo, Antsiranana ary Ambositra. Mikendry ny handrafetana tolotra fampianarana amin'ny alàlan'ny fampiasana fomba fanabeazana sy fampitana fahalalana eoropeanina ity fiaraha-miasa ity. Raha marihina ny tanjon’ny tetikasa dia ny fanavaozana ireo toeram-panabeazana efa tafiditra amin'ny fampianarana momba ny rano, ny fahadiovana ary ny fidiovana (EAH) eto Madagasikara amin'ny alalan'ny fampivoarana ny fiofanana.

Lire la suite

Articles Similaires