• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Fampiasana harona plastika : Mbola miroborobo, na eo aza ny didim-panjakana mandrara azy

03/07/2024 11:41 © Moov.Mg

Na voarara eto Madagasikara aza ny fampiasana ny harona plastika latsaky ny 50 microns, dia mbola tsy afaka ao anatin’ny fahazaram-piainan’ny Malagasy ny fampiasana ireny harona ireny, ho famonosana entana amin’ny andavanandro.

Mandoto sy mankarary

Manodidina ny 5 000 miliara isan-taona ny harona plastika ampiasaina maneran-tany, araka ny antontan’isa tamin’ny taona 2018. Araka ny fanadihadiana anefa dia manodidina ny 12 minitra ihany, raha atambatra, ny fotoana tena ampiasan’ny olombelona ny harona plastika iray, dia ariana izany. Misy fiantraikany ratsy amin’ny tontolo iainana izany fahazaran-dratsy izany, satria ny plastika dia eo anelanelan’ny 100 hatramin’ny 500 taona vao levona, rehefa miparitaka any anaty natiora any. Miteraka olana ho an’ny fahasalaman’ny olombelona, araka izany ny fako plastika, satria raha ariana dia mandoto, manentsina lakan-drano, manimba ny nofon-tany… saingy raha dorana ihany koa dia miantraika any amin’ny havokavoka, ary mety mahatonga aretina toy ny homamiadana mihitsy. Mety ho tafihinana azy ireny ihany koa ny biby fiompy sy ny hazan-dranomasina, ka miverina amin’ny olombelona ihany izany, rehefa isika indray no mihinana azy ireny.

Miala amin’ny fahazaran-dratsy

Marihina androany 3 jolay ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tsy fampiasana harona plastika. Tamin'ny taona 2010 no niandohan'ny fankalazana, tamin'ny alalan'ny fikambanana "Bag Free World", ary ankalazaina isan-taona izany, nanomboka teo. Fotoana fampahatsiahivana sy fanentanana androany, mba hanajanonana izany fahazaran-dratsy izany, ka hambolena fahazarana tsara. Tsiahivina fa eto Madagasikara dia misy ny didim-panjakana laharana faha 2014-1587 tamin’ny 07 oktobra 2014, izay mandrara ny famokarana, fampidirana ary famarotana sy ny fampiasana ny harona plasitika. Mihatra manokana amin’ireo harona manana hatevina mitovy, na latsaky ny 50 microns, izany fandrarana izany, nanomboka tamin’ny volana aprily 2017. Hatreto anefa dia mbola tsy hita taratra amin’ny fiainana andavanandron’ny Malagasy ny fihenan’ny fampiasana harona plastika. Mbola hita amidy etsy sy eroa izany, na koa omena maimaim-poana hamonosana entana. Azo atao tsara anefa ny mampihena ny fampiasana azy ireny, amin’ny fampiasana ireo harona vita amin’ny akora natoraly, na akora maharitra toy ny lamba, izay azo iverimberenana.

Lire la suite

Articles Similaires