• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm - Lalana Anosibe An'Ala
Image
Vaovao

Fifamoivoizana : mitontaly 21 000 Km eo ny lalana ambanivohitra, 11.4% monja amin’izany no azo hidirana

03/07/2024 10:53 © Moov

Mahatratra hatramin’ny 21 000 Km ny lalana eny amin’ny tontolo ambanivohitra manerana ny Nosy. Ao anatin’izany anefa dia ny 11.4% amin’ireo lalana ireo irery ihany no azo hampiasaina indrindra rehefa fahavaratra. Mba hamahana izany olana izany dia nanatanteraka atrikasa ho fampaharetana ny lalana ambanivohitra ireo tompon’andraikitra maro mba hamoahana paikady vaovao.

Marihina fa ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny Ministeran’ny Asa Vaventy no niara-niasa tao anatin’izany famolavolana Paikady vaovao izany, niarahana tamin’ireo Tetikasa maro.

17 tapitrisa ireo olona mitoka-monina

Miisa hatramin’ny 17 tapitrisa ireo olona mitoka-monina noho ny faharatsian’ireny lalana ireny, indrindra rehefa fahavaratra. Fototry ny fampandrosoana maharitra anefa ny fisian’ny fotodrafitrasa eny anivon’ny tontolo ambanivohitra, toy ny lalana izany. Izany no maha-zava-dehibe ity atrikasa ity. Naharitra roa andro ny atrikasa niarahana mijery ireo paikady vaovao ahafahana mametraka lalana sy mampaharitra ny kalitaon’ny lalana eny amin'ny tontolo ambanivohitra. Raha ny tsikaritra hatramin’izay dia ireo lalam-pirenena hatrany no hikarohana fomba hampaharitra azy toy izao. Mahazo ny anjarany indray araka izany ireto mponina an-tapitrisany ireto amin’ity paikady vaovao ity.

Hanatsarana ny fotodrafitr’asa

Anisan’ny tanjona tiana ho tratrarina tamin’ity fivoriana ity ny hanatsarana ny fotodrafitr’asa. Fomba hanatanterahana izany ny fampianarana sy fanofanana ireo mpampiasa lalana momba ny fanajana ireny. Ao anatin’izany ohatra ny fanamafisana ny fitantanana ny tambazotran’ny lalana eny ambanivohitra sy ny fandraisana fanapahan-kevitra. Anisan’ny noresahina ihany koa ny hampivoarana ny rafi-pamatsiam-bola mba hahafahana mikojakoja ny fotodrafitr’asa. Lohahevitra maro no nentin’ireo mpandray anjara tamin’ity fivoriana ity mba hanatrarana io tanjona io. Tao anatin’izany ny paikady maharitra ho an’ny lalana eny anivon’ny tontolo ambanivohitra. Ao anatin’izany ihany koa ny fomba fitantanana ny fotodrafitr’asa ary ny fanofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisitraka eny ifotony. Tsara ny manamarika fa fiaraha-mientana amin’ny UNOPS ary vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola ity tetikasa fanatsarana ny lalana eny ambanivohitra ity.

Lire la suite

Articles Similaires