• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdat
Image
Vaovao

Tetikasa PADEVE 2 : Notanterahina tao Fianarantsoa ny fivoriana voalohan’ny « Comité de pilotage local »

03/07/2024 09:29 © Moov

Notanterahina tao Fianarantsoa ny 2 jolay teo ny fivoriana voalohan'ny "Comité de Pilotage Local" ny tetikasa PADEVE 2. Marihina fa vatsian'ny Agence Française de Développement (AFD) vola ity tetik’asa ity. Natao indrindra hananganana ireo fotodrafitr’asa kaominaly ao anatin’ny 5 taona manaraka.

Tanàn-dehibe miisa 6

Tanan-dehibe miisa 6 no misitraka ity tetikasa ity manerana ny Nosy. Anisan’izany ny Tananan’i Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Antsirabe, Fianarantsa ary Toliara. Maro karazany ireo fotodrafitr’asa izay hatsangana amin’ny alalan’ity programan’asa lehibe ity. Ity fivoriana voalohany ity no hitondran’ireto mpiandraikitra any an-toerana ireto ny fanatanterahana ny tetik’asa. Raha ho an’ny Fianarantsoa manokana ohatra, mitentina 7,3 tapitrisa euros ny vola natokana ho azy. Anisan’ny asa goavana tanterahina ankoatra ny lalana isan-karazany ny fanamboarana ny tsena Anjoma sy Besorohitra. Ankoatra an’ny Fianarantsoa dia efa hisitraka ny mitovy amin’izany avokoa ireo tanan-dehibe hafa ireo. Anisan’izany ny fanamboarana tsena, fanamboarana lalana, fanatsaràna ireo sehetra maintso iombonana ary ao ihany koa ny fanamboarana ireo fampitaovana isan-karazany ilaina eny an-tanan-dehibe. Araka izany dia efa mizotra amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny mpandray anjara tsirairay. Haharitra dimy taona indray izy amin’ity andiany faharoa ity. Efa misy tamin’ireo tanàna ireo no efa nisitraka ny tetikasa PADEVE andiany voalohany.

Mitentina 49 tapitrisa euros

Mitentina hatramin’ny 49 tapitrisa euros ny famatsiam-bolan’ny AFD amin’ity tetikasa ity. Tanjona amin’izany ny hananganana fotodrafitrasa isan-karazany ho an’ny kaominina toy ny tsena, ny fanarenana ny arabe sy ny lalan-kely any amin’ireo tanàna mahazo tombontsoa ireo. Ankoatra ny fananganana ireo fotodrafitrasa ireo dia ho hita ao ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fampitaovanana ny « volet renforcement de capacités et appuis institutionnels ». Hatolotra ho an’ireo mpiasa eo anivon’ny Kaominina voakasiky ny tetik’asa PADEVE izany. Ao anatin’izany ny fanatsarana ny fomba fitantanana kaominaly; fanatsarana ny lafiny fitantanam-bola sy fametrahana ny paik’ady ; fomba fandrindrana ny tanàn-dehibe. Mifandray amin’izany ihany koa ny fanatsarana ny fomba fikojakojana sy fitantanana ny tsena sy ireo tsara ho fantatra reheytra hampandrosoana ny kaominina. Haharitra hatramin’ny 2030 ity tetikasa ity.

Lire la suite

Articles Similaires