• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

Fanondranana voamaina : Lasa any ivelany ny lojy fotsy 1,350 taonina

03/07/2024 08:03 © Moov

Tsara fanombohana ny taom-panondranana voamaina 2024. Mitentina 756 996,5 Dolara ireo lojy fotsy mainty maso andiany voalohany nalefa any ivelany.

Anisan’ireo voamaina tena hahafantarana an’i Madagasikara ny lojy fotsy mainty maso (haricot niébé ou black eyes). Ankafizin’ireo vahiny sy ireo Malagasy monina any ivelany izy io. Ny ao Mahajanga no tena mpamokatra ka manaparitaka ireo vokatra manerana an’i Madagasikara sady mamatsy ny tsena any ivelany.

Vokatra tsara sy voafantina

20 andro izay no nisokafan’ny taom-panondranana ho an’ny faritra Boeny. Izao niainga izao ny andiany voalohany amin’ireo lojy fotsy mainty maso. Sambo roa an’ny kaompaniam-pitaterana an-dranomasina MSC no nitondra an’ireo vokatra milanja 1350 taonina ireo niala ny morontsirak’i Madagasikara ny Alahady 30 Jona 2024 lasa teo.
Miantoka ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny vokatra lojy fotsy mainty maso miondrana avy ao Mahajanga moa ny Sampandrahara misahana ny varotra ao amin’ny Fitalevam-paritry ny Fampirobroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Boeny, amin’ny alalan’ny rantsamangaikany “Poste de Contrôle du Conditionnement". Marobe moa ireo fianakaviana mivelona amin’ny famokarana sy fikirakirana io voamaina io. Antenaina araka izany ny hitohizan’izao fanondranana entana any ivelany izao mba hanome lanja ny ekonomia eto amin’ny Nosy, sady hanatsara ny fiveloman’ireo Malagasy maro.

Lire la suite

Articles Similaires