• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Eauboulo
Image
Vaovao

Alaotra Mangoro : Mpanara-maso ny ala roa izay no nisy namono

02/07/2024 08:03 © Midi Madagasikara

Mitovy ny fomba namonoana an’ireo dia avy amin’ny tsatoka antsy marobe. Izany hoe novonoina tamin’ny fomba feno habibiana.

Rangahy efa lehibe roa ireo ary nanompana betsaka ny fiainany tamin’ny fanaraha-maso ny ala sy zavaboary ao aminy mba ho fiarovana an’izany. Nandray andraikitra mihitsy tamin’ny asa niantsorohana ary samy lasa ho filohan’ny Vondron’Olona Ifotony (VOI), fikambanana iraisan’ny olona mivelona amin’ny ala sy ny zavaboary, ary nifarimbona mba hiaro an’izany.

Mandalo amin’ireo tompon’andraikitra ireo avokoa izay mety mahakasika ny fiainan’ny ala ary vokatr’izany dia mahafanta-javatra izy ireo. Ny ala izay sady misy mpitrandraka tsy ara-dalàna, misy maka ny biby arovana ary koa misy manimba any anatiny any ny ala mba hangalarana ny tany misy azy. Marobe ny tranga tsy noeritreretina akory saingy misy ao anatin’ireny ala arovana ireny. Ho an’ireo filohan’ny VOI dia matetika izy ireo no sady misintona ny lakolosy fanairana no mametraka fitoriana. Manana dosie mifandraika amin’izany izy ireo. Ho an’ilay maty ny volana jiona teo dia teo am-pisafoana ny ala, fanaony mahazatra, no nisy namono izy. Raha ny re dia nialohavan’ny fahaverezana dosie io vonoan’olona io. Roa taona katroka talohan’io, izany hoe ny volana jiona 2022, dia efa nisy namono tao amin’io toerana mitovy, antsoina hoe Beparasy, ny filohan’ny VOI tamin’izany fotoana.

Dia io mbola novonoina io koa ny solony, roa taona taty aoriana. Dikan’izany, misy tambajotra mpanao heloka bevava ao ambadiky ny raharaha ary manelingelina azy ireo ny fisian’ilay fikambanana mpiaro ny ala sy ny zavaboary. Ankehitriny dia mihemotra ny olona ny amin’ny fandraisana andraikitra satria samy matahotra ny ainy. Ny hany azon’izy ireo hatao dia ny misintona ny lakolosy fanairana mba hiverenan’ny filaminana ary indrindra koa mba hisian’ny fitsaràna ireo nahavanon-doza.

Lire la suite

Articles Similaires