• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ambalajia-Maeavatanàna : Maty voatifitry ny Zandary ilay dahalo raindahin’ny antsoina hoe Dapiso

02/07/2024 07:58 © Midi Madagasikara

Tsy mandry alina sy atoandro no tsy mikely soroka ny Zandary, amin’ny hamongorana ny asa ratsin’ireo olon-dratsy tsy mataho-tody.

Ny andron’ny Alahady faha 30 Jona taona 2024 teo, tokony ho tamin’ny 03 ora sy 40 minitra tolakandro, nandritra ny fisafoana nataon’ny Zandary avy ao amin’ny « Poste fixe Madiromirafy, » izay notarihin’ny GP1C Rakotonirina Eugène( CPF) ao amin’ny fokontany Mahalavolona, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Madiromirafy, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no nahazo antso an-taribia tamin’ny olona tsara sitra-po, izy ireo, makasika ny fisian’ilay dahalo raindahin’ny antsoina hoe : Dapiso, malaza amin’ny resaka halatr’omby, izay mihaodihaody any amin’ny kaominina Ambalajia.

Teo no nanampan-kevitra tsy maintsy niampita ranon’ikopa hihazo any Ambalajia ny mpitandro ny filaminana niaraka tamin’ireo fokon’olona, rehefa nahare izany ny androtr’io ihany. Rehefa nahatazana tampoko ny fiavian’ny Zandary sy ny vatan-dehilahy i Dapiso no nanohitra sy nitsoaka, na dia efa nanao tifin-danitra amin’ny fampitandremana sy fampijanona azy ary ny mpitandro ny filaminana, dia namaly tamin’ny tifitra ny lehilahy. Tsy niandry ela ny Zandary, fa tonga dia niroso tamin’ny fitifirana avy hatrany. Vokany : maty tsy tra-drano teo no eo, ilay jiolahy. Taorian’izay no nampiantso ny dokotera hanamarina fahafatesan’ity jiolahy ity, amin’ny tompon’andraikim-panjakana any an-toerana ny Zandary.

Nalevin’ny fokon’olona tsy misy hatak’andro ilay jiolahy malaza amin’ny resaka halatr’omby any Madiromirafy sy Ambalajia. Raha ny vaoava voaray hatrany, makasika ny mombamomba an’i Dapiso, dia tokony eo amin’ny 25 taona eo ny lahilahy no mipetraka any amin’ny tanàn’Ambodimadiro, any amin’ny fokotan’Amparihibe, any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambalajia, ary voalaza fa nangalatr’omby niisa 113 niaraka tamin’ireo namany nandritra ny volana Janoary taona 2024 teo, tany Madiromirafy. Mbola mitohy kosa moa ny fikarohana ataon’ny Zandary hoan’ireo namany, izay antsoina hoe : Seraly, Dabe, monina ao Ampaharibe.

Lire la suite

Articles Similaires