• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cisco Manakara
Image
Vaovao

BEPC 2024 : Ankizy miisa 299 130 manerana ny Nosy miatrika ny fanadinam-panjakana faharoa

01/07/2024 09:55 © Moov

Manomboka androany ny fanadinam-panjakana faharoa amin’ity taona 2024 ity. Haharitra efatra andro izany ary mpiadina miisa 299 130 no hiatrika izany manerana ny Nosy. Fanadinam-panjakana hahazoana ny mari-pahaizana Brevet d’Etude du Premier Cycle na ny BEPC izany.

Maro mpisafidy ny sokajy B

Mbola mitana ny toerana betsaka amin’ny fanadinam-panjakana BEPC foana aloha hatramin’izao ny Sokajy B. Miisa 146 048 ireo nandrafitra ity sokajy B ity raha 133 082 kosa ireo nisafidy ny sokajy A. Marihina moa fa ny taranja anglisy no mahasamihafa ireto sokajy ireto. Tapitra ny alarobia ariva ny fanadinana ho an’ireo mpiadina sokajy A raha mbola miverina manao ny taranja anglisy kosa ireo sokajy B ny alakamisy maraina. Amin’izao fotoana izao dia efa ao anatin’ny fikatrohana ny adina ireo zaza malagasy ireo. Marihina ihany koa fa miisa 53 ihany koa ireo zaza malagasy manana fahasembanana no mandray anjara amin’ity fanadinana ity. Hizara amin’ny efitranom-panadinana miisa 8 888 amin’ireo foibem-panadinana miisa 1 079 manerana ny Nosy izy ireo.

Nahitana fihenana ny mpiadina

Nahitana fihenana ity antontan’isan’ny mpiadina ity raha oharina amin’ny tamin’ny erintaona. Nihena hatramin’ny enina arivo sy fitonjato (6 700) ny kandidà raha oharina tamin’ny taon-dasa, izay niisa enina amby telopolo sy valonjato sy dimy arivo sy telo hetsy (305 836). Raha ny fanamarihan’ireo mpianatra sy Ray aman-dReny sasany dia noho ny fahasahiranana ara-bola no antony nampihena izany isa izany. Ao ireo izay voatery miala an-daharana, ao ihany koa ireo tsy nahavita nikarakara ny taratasy rehetra. Raha ny fanamarihana hatrany dia nahitana fihenana hatrany ity antontan’isa ity tao anatin’ny telo taona nifanesy izay. Niisa 325 253 izany ny taona 2021 ; nihena ho 315 514 ny taona 2022 ary nahitana fihenana hatrany izany ny taona 2023 lasa teo.

Namafisina ny fandriam-pahelamana

« Namafisina mihoatra ny tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE lasa teo ny fitandroana ny filaminana mandritra ity BEPC ity », hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena mpisolo toerana, ny Profesora Zely Arivelo Randriamanantany. Hahafahan’ny zaza malagasy manao ny adina am-pilaminana no anton’izany hatrany. Ho hita mandritra io efatra andro io araka izany ny fepetra fanaraha-maso hentitra rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires