• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Famonoana ny Mpitsara Rakotondravony Henri : Mpiray tsikombakomba 15 no niakatra fampanoavana

27/06/2024 16:57 © Moov.Mg

Mpiray tsikombakomba 15 isa no indray voasambotry ny Polisim-pirenena malagasy, tao anatin'ny raharaha famonoana ny Mpitsara, Rakotondravony Henri, Mpisolo Tonia Mpampanoa ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony Mahajanga.

Olona natokisana

Raha ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ny polisy dia ny mpamilin'ilay Mpitsara ihany, izay natokisany, no nahavanon-doza. Araka ny nambaran'ity farany, nandritra ny fanadihadiana natao azy, dia ny sakaizany no namporisika azy hamono ilay mpitsara. Nampanantena ny hanome azy fiara "sprinter" iray io sakaizany io, raha vitany ny mamono ilay Mpitsara. Tany Alatsinainy Ambazaha no voasambotra ity lehilahy 31 taona ity, ny 19 jona teo. Nanondro ny namany miisa 2 hafa izy, izay voalaza fa nanampy azy mivantana tamin'ny famonoana, sy ny toerana nanitrihan'izy ireo ny vatana mangatsikan'ilay Mpitsara.

Nampian’ny fianakaviana

Tsy lavitra ny trano fonenan'ity lehilahy ity ihany moa no nanitrihany ny razana, fa teo an-tokontanin'ny ray aman-dreniny ihany, izay nanome azy alalana ny hanao izany. Mbola nampian'ireo fianakaviany aza izy tamin'ny fandavahana ny lavaka nandevenana ny razana. Raha tsiahivina dia efa ny 5 jona ity Mpitsara ao amin’ny Fitsarana Ambony ao Mahajanga ity no tsy hita, rehefa niakatra taty an-drenivohitra. Rehefa natao ny fikarohana dia ny vatana mangatsiakany sisa no nofongarina avy tao amin’ny lavaka nandevenan’ireo olon-dratsy azy, ary efa potika tanteraka. Tao anatin'ny fanadihadiana hatrany no nahalalana fa efa lasan'ilay vehivavy, sakaizan'ity mpamily ity izay naniraka hamono ilay Mpitsara, ny vola tany amin'ny banky sy ny fiara. Natolotra ny fitsarana androany 27 jona avokoa ireo olona voarohirohy tamin’ity raharaha ity.

Lire la suite

Articles Similaires