• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Foloalindahy
Image
Vaovao

Administratera sivily voasambotra teny Mahamasina : Fahadisoan’ny fampitam-baovao, hoy ny filohan’ny SYNAD

27/06/2024 16:41 © Moov.Mg

Fahadisoana teo amin’ny fampitam-baovao voaray no nitarika ny fisamborana ilay administratera sivily, omaly, nandritra ny lanonana nankalazana ny faha-64 taonan’ny niverenan’ny fahaleovantena teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, araka ny fanazavana nomen’ny filohan’ny SYNAD (Sendikan’ireo administratera sivily).

Diso toerana

Raha tsiahivina ny zava-niseho teny Mahamasina, dia nipetraka teny amin’ny toerana voatokana ho an’ireo olo-manan-kaja (VIP) ity administratera sivily ity, no noesorina teny fa hafindra toerana hafa. Teo am-pifindrana indrindra izy no nosamborina ary nentina teny amin’ny borigady miady amin’ny heloka bevava teny Anosy, natao famotorana. Voalaza mantsy fa nanam-pikasana ny hifofo ny ain'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ity lehilahy ity. Voaantso teny amin’ny borigady miady amin’ny heloka bevava ihany koa ny filohan’ny SYNAD, Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona, nanamarina ny maha-administratera sivily an’ity olona nosamborina ity. Nanatitra ny antontan-taratasy manamarina izany izy androany maraina. Arakan y fantatra moa dia efa nalefa nody omaly ihany moa ilay administratera sivily voasambotra, taorian’ny fakana am-bavany azy.

Mitazona ny fiandrianam-pirenena

Nitondra ny fanazavany momba ity raharaha ity ny filohan’ny SYNAD, sady naneho ny heviny ihany koa. Tamin’izany no nilazany fa resaka arofenitra sy fahadisoan’ny fampitam-baovao (renseignement) no niteraka ny fifandisoana. Raha ny marina, hoy i Paolo Emilio Raholinarivo, dia tokony ho afaka nipetraka tamin’ny toeran’ny « VIP » mihitsy ity lehilahy ity, noho izy administratera sivily nanao fanamiana sady manana kintana 3, mpiasan’ny Filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy (CFM) ary mpitandrina amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) ihany koa. Tsy vitan’izany, hoy hatrany ny filohan’ny SYNAD, fa manana ny mari-boninahitra Grand-Croix de deuxième classe de l'Ordre national izy. Ny administratera sivily no olona mitazona farany ny fiandrianam-pirenena, araka ny fanazavany hatrany, ka tsy ho administratera sivily mihitsy no hikasa hamono ny filoham-pirenena. Nanafatra moa i Paolo Emilio Raholinarivo ny mba hitandremana amin’ny fampitam-baovao, mba hisorohana ny tranga tahaka izao.

Lire la suite

Articles Similaires