• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Auf
Image
Vaovao

Fampananan’asa : Misokatra ny fampiofanana momba ny fandraharahana an’ny Ministeran’ny asa

27/06/2024 16:31 © Moov

Hanomboka ny fampiofanana momba ny fandraharahana izay karakarain'ny Ministeran’ny asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana. Manomboka ny 01 jolay ka hatramin’ny 26 jolay ny fanaterana ny CV mba hahafahana misitraka ny fampiofanana.

Fampiroboroboana ny asa

Tafiditra ao anatin’ny vinan’ity Ministera ity ny hampitombo ny olona manana anton’asa sy fidiram-bola. Tafiditra ao anatin’ny dingana hanatrarana izany ity fampiofanana karakaraina ity. Marihina ihany koa fa ny Fitaleavana Ankapoben'ny Fampiroboroboana ny Fampananan'Asa (DGPE) rahateo no miandraikitra izany. Misy kosa anefa etsy andaniny ny fepetra takiana amin’ireo izay hanaraka ny fiofanana. Voalohany indrindra dia tanora tokony manana ny mari-pahaizana bakalorea no mandray anjara amin’ny fampiofanana. Anisan’ny afaka mandray anjara ihany koa anefa ireo olona efa manana orinasa madinika sy salantsalany na olona manana tetik’asa. Anisan’ny afaka misoratra anarana ihany koa ireo izay manam-paniriana ny ho mpandraharaha mihitsy amin’ny sehatra izay tiany. Hanomboka ny volana oktobra izao ny fiofanana. Efa nisy ny fiofanana mikasika ny fomba fananganana orinasa nokarakarain’ity ministera ity. Niisa 120 teo ireo mpandray anjara ary mbola ny toy izany hatrany no hiriana amin’ity andiany manaraka ity.

Fanamafisam-pahaizana

Fifampizarana sy fampianarana amin’ny ankapobeny no hatolotra ireo mpandray anjara rehetra amin’ity fiofanana ity. Lehibe ny tanjona amin’izany. Ao anatin’izany ohatra ny andrasana dia mba afaka manangana ny orinasany izy ireo rehefa tapitra ny fampiofanana. Fotoana iray hanamafisana ny fahaizan’ireo izay mety ho efa manam-pahalalana amin’ny fandraharahana ihany koa. Anisan’ny ilain’ny mpandraharaha ihany koa ny manana fahalalana ny amin’ny fomba atao hampaharitra ny orinasany. Izany rehetra izany no isan’ny ho sitrahin’ny rehetra amin’ireo fampiofanana ireo. Hisy rahateo ny mari-pankasitrahana azo hampiasaina ho an’ireo rehetra izay mila izany. Teny filamatra hitondrana ity fampiofanana ity rahateo ny hampiasana vola hampiroboroboana ny tena manokana. Ny fiofanana ihany no hahafahana mihoatra ka antony nisafidianana izany lohahevitra izany.

Lire la suite

Articles Similaires