• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmf
Image
Vaovao

Baolina Kitra : Ny 6 hatramin’ny 10 jolay ny fiadiana ny amboara nasionaly ho an’ny latsaky ny 20 taona

27/06/2024 15:40 © Moov

Hotanterahina manomboka ny 6 jolay hatramin’ny 10 jolay ho avy izao indray ny fiadiana ny amboara ho an’ny tanora latsaky ny 20 taona ho an’ny taona 2024. Ho an’ny sokajy lehilahy ity lalao ity izay hotontosaina amin’ny alalan’ny dingana roa ary hampivondrona ireo klioba U20 tsara indrindra rehetra amin’ireo ligy 22 manerana ny Nosy.

Raisina amin’ny toerana 7

Toerana miisa 7 manerana ny Nosy ihany koa no handraisana ny dingana voalohany amin’ity lalao ity. Handray izany Mahajanga, Antalaha, Antananarivo, Toamasina, Antsirabe, Manakara ary Toliara. Nanazava ihany koa ny avy ao amin’ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra fa ireo ligy akaikin’ireo toerana ireo no hilalao any amin’izay misy azy avy. « Ireo klioba sangany isaky ny ligy no hifanandrina amin’izany ary ireo roa mahazo ny salan’isa ambony indrindra kosa no hiakatra amin’ny dingana manaraka », hoy hatrany ny avy ao amin’ny FMF. Manaraka ny dingana rehetra ny lalao ka ireo klioba sangany rehetra ireo no hifampidinika amin’ny handraisana ny lalao famaranana. Vinavinaina ho tanterahina ny 21 oktobra hatramin’ny 3 novambra izany lalao famaranana izany.

Hampiakarina ny lentan’ny baolina kitra

Mikendry indrindra ny hampiakarana ny lentan’ny baolina kitra ho an’ny tanora ny anton’ny fikarakarana ity lalao U20 ity. Ao anatin’izany ihany koa ny hanomanana izay handrafitra ny ho avin’ny ekipam-pirenena A ary hampiroborobo ny fifaninanana eo amin’ny samy tanora. Zava-dehibe ihany koa ity lalao ity raha tsy hiteny fotsiny ny fahafahana mifantina ireo mpandray anjara amin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena COSAFA U20 2024 avy amin’ireo zava-bitan’ny ekipa tsirairay. « Dingana iray tena ilaina amin’ny fampivoarana ny baolina kitra malagasy ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly U20. Manome sehatra ho an’ireo tanora, handrefesana ny fahaizany sy hiomanana amin’ny fifaninanana ambonimbony kokoa izany », hoy ny avy ao amin’ny FMF. Araka izany dia dingana iray lehibe ho an’ny tanora malagasy ity lalao ity. Ireo rehetra izay latsaky ny 20 taona, izany hoe teraka taorian’ny 1 janoary 2015 no afaka handray anjara.

Lire la suite

Articles Similaires