• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Matso lehibe teo Mahamasina : Tomombana antsakany sy andavany ny fety hoy ny Minisitry ny Foloalindahy

27/06/2024 08:30 © Moov

Nahomby ny lafiny rehetra nandritra ny matso lehibe notanterahina teo Mahamasina raha ny fanambarana avy amin’ny Minisitry ny Foloalindahy. Tao anatin’izany ny fanatanterahana ny matso lehibe sy ny fandaminana amin’ny ankapobeny.

Nahena ny hetsika

Nahitana fihenana ny fisehon’ny hetsika rehetra mahazatra raha oharina amin’ny isan-taona. Nahena mihitsy ny fampisehoana tamin’ity taona ity. « Hitantsika fa mbola andalam-panamboarana ny Kianja Barea Mahamasina amin’izao fotoana izao. Nahena ny hetsika mba hahafahana miaro ny fotodrafitr’asa rehetra », hoy ny Minisitry ny Foloalindahy, Général de corps d'Armée Sahivelo Lala Monja Delphin, nanazava ny anton’izany. Nanamarika ny hetsika kosa anefa ny fampisehoana haiady nataon’ireo avy ao amin’ny Zandarimaria sy ny sora-dihy nataon’ireo mpianatra avy ao amin’ny Sekoly Miaramilam-pirenena. Etsy andaniny dia nifantoka tamin’izany fety izany avokoa ny Malagasy rehetra.

Mpitandro filaminana miisa 3 000

Miisa 3 000 ny mpitandro filaminana niandraikitra ny fandriam-pahalemana tamin’ity taona ity raha ny teto Antananarivo Renivohitra. Niasa teny ivelan’ny kianjan’ny Barea Mahamasina izy ireo. Anisan’ny andraikitra nosahaniny avokoa ny fizarana ny tapakila sy ny fandaminana ny olona hiditra tao anatin’ny Kianja. Nanambara ireto mpitandro filaminana ireto fa nilamina ary nanaraka ny antsakany sy andavany avokoa ireo mpanatrika tsirairay. Taorian’ny fizarana ny tapakila fanisana ihany koa dia nanaraka ny fandaminana ihany koa ireo mpanatrika izay tsy tafiditra tao anatin’ny Kianja. Etsy andaniny dia mbola nanamafy ihany koa ireo mpanatrika fa nilamina ny lanonana raha oharina amin’ny tamin’ny taon-dasa. Nilamina avokoa araka izany na ny fidirana na ny fivoahana ny Kianja ary nifety tamim-pilaminana ny rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires