• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Ministeran’ny Tontolo Iainana : Manao adisisika hamerenana ny fahafahan’ny mpianala mitondra fitaovam-piadiana

26/06/2024 19:35 © Moov.Mg

Isan’ireo nandray anjara tamin’ny matso lehibe nataon'ny Foloalindahy Malagasy, teo amin'ny kianja Barea Mahamasina ireo mpianala, androany 26 jona, fankalazana ny fetim-pirenena sady fetin’ny Foloalindahy.

Nandray anjara tamin’ny matso

Tamin’ity taona ity no betsaka indrindra ny isan’ireo mpianala, eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, nandray anjara tamin’ny fety fanamarihana ny nijoroan’ny foloalindahy malagasy sady nankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara. Tamin’ireo 3757 mpandray anjara tamin'ny matso lehibe tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, dia niisa 126 ireo mpianala. Misy amin’izy ireo no mbola eo an-dalam-piofanana ary misy no efa am-perin’asa. Zava-dehibe loatra ny hetsika tahaka izao, hoy ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina, satria hahatsiarovana ny ady nataon’ireo ray aman-dreny teo aloha, mba hananan’i Madagasikara fahaleovan-tena indray.

Miaramilan’ny ala

Manana ny anjara toerany ao anatin’ny fitandroana ny filaminana eto Madagasikara ny mpianala, noho izy ireo miaramilan’ny ala. Nampahatsiahivin’ny minisitra, Fontaine Max, fa manana ny sata « paramilitaire » izy ireo. Efa manao adisisika ny ministera tarihiny, araka ny nambarany, mba hampitomboana ny isan’izy ireo, sy mba hamerenana indray ny fahafahan’izy ireo mitondra fitaovam-piadiana (port d’arme), amin’izay maha-miaramilan’ny tontolo iainana azy ireo izay. Manome voninahitra ny ministeran’ny Tontolo Iainana, hoy hatrany ny minisitra, ny fampandraisana azy ireo anjara tamin’ny matso androany, sady mampiseho fa tena ilain’ny firenena ny mpianala.

Lire la suite

Articles Similaires