• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov A.Jpg
Image
Vaovao

Asaramanitra 2024: Miezaka mampifaly ny ankizy kely avokoa ny Ray aman-dReny

26/06/2024 16:37 © Moov.Mg

Samy mitondra ny zanany avokoa ireo Ray aman-dReny tonga teny amin'ny kianja Barea Mahamasina anio. Nivoha nanomboka tamin'ny 7 ora maraina ny vavahady ary hatramin'ny 12 ora atoandro mbola maro ireo fianakaviana no milahatra sy mikasa ny hiditra. Hita mitandahatra izy ireo hiditra ny kianja. Hipoka ny kianjan'ny Barea ary tsy ambakan'izany ireo ankizy kely.

Miainga maraina

Mankalaza ny faha-64 taona nahazoana ny fahaleovantena ny Malagasy. Entina hiaina izany fomba fankalazana izany avokoa ny ankizy raha ny filazan'ireo Ray aman-dReny teny amin'i Kianja Barea. Nanomboka tamin'ny 10 ora maraina ny hetsika ary maro tamin'ireo fianakaviana no efa niomana efa ela ka niainga vao maraina be tany amin'ny toerana misy azy tsirairay. Singanina manokana amin'izany ireo olona izay monina any amin'ireo toerana mivoaka kely ny renivohitra. Mifanaraka amin'izany dia maro ireo izay nitondra sakafo manokana mihitsy mba hahafahany miaina ankalalahana ny fety sy mankafy izany. " Ireo ankizy mihitsy no nentina taty mba hahalala hoe toy ny ahoana ilay matso sy ny fankalazana ilay fetin'ny fahaleovantena. Fotoana iray hahafahan'izy ireo miala voly ihany koa izany", hoy i Mamy, anisan'ireo Ray aman-dReny nitondra ny zanany.

Malalaka ny toerana

Azo lazaina ho malalaka ihany koa anefa ireo toerana afaka hipetrahana ao anatin'ny kianja na dia maro aza ny olona. Mitohy amin'ity hariva ity ihany koa ny lanonana ka maro tamin'ireo efa tonga ny maraina no namonjy fodiana rehefa tapitra ny matso. Na dia izany aza anefa dia mbola maro hatrany ireo maniry ny hiditra taorian'ny matso. Mbola miaraka amin'izany hatrany anefa ireo zaza sy ankizy.

Miala voly

Ankoatra izany dia ao anatin'ny ivon'ny fety tanteraka ny Malagasy ka maro ihany koa ireo Ray aman-dReny no mitondra ny zanany eny amin'ireo lalao isan-karazany. Ahitana izany eo Analakely, Betongolo, eny amin'ireo toerana malalaka samihafa ivelan'Antananarivo. Fotoana iray lehibe natokana hamalifaliana ny ankizy rahateo ny fetin'ny asaramanitra toy izao. Efa anatin'ny vanim-potoan'ny fialan-tsasatra rahateo izao.

Lire la suite

Articles Similaires