• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fetim-pirenena : Niantso ny tafika hiaro ny fiandrianam-pirenena ny Filoha Andry Rajoelina

26/06/2024 16:33 © Moov.Mg

Nanokatra ny matso lehibe fanamarihana ny fetin’ny fahaleovan-tena ny Filoham-pirenena tamin’ny 10 ora maraina katroka. Tao anatin’ny lahateny izay nataony no nametrahany hafatra ho an’ny tafika. Nisongadina tamin’izany ny niantsoany ireo tafika ireo mba hiaro ny fiandrianam-pirenena.

Miasa amin’ny fomba mendrika

Nomarihin’ity Filoham-pirenena ity fa ny tafika no tandroka aron’ny vozona. Tafiditra ao anatin’izany avokoa ireo miaramilam-pirenena, polisy nasionaly ary ireo avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena. Andraikitra lehibe araka izany no hiandraiketan’izy ireo ary tokony ho azon’ny Malagasy rehetra hametrahana fitokisana izy ireo. Araka izany dia nanafatra azy ireo ny Filoha fa tokony hiaro ny fiandrianam-pirenena sy ny fanevam-pirenena izy ireo. Ao anatin’izany ihany koa ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. « Izany rehetra izany anefa dia hampiharina amin’ny fomba mendrika ny maha-olom-panjakana anareo », hoy hatrany ity Filoha ity nandritra ny lahateniny. « Araka izany dia midera sy matoky anareo ny vahoaka malagasy rehetra amin’izany asa lehibe iandraiketanareo izany », hoy hatrany ny voalazan’ny Filoha. Tsara ny mampatsiahy fa ankoatra ny maha fetim-pirenena ny 26 jona dia fetin’ny Foloalindahy ihany koa izy ity. Araka izany dia hafatra lehibe izany nomena ireto mpikambana ao anatin’ny Foloanlindahy ireto izany.

Tafika miisa 3750

Amin’ny maha fetin’ny foloalindahy azy dia izy ireo no nomena sehatra lehibe tamin’ity fety ity. Anjaran’izy ireo no nanatanteraka ny matso. Niisa 3 750 ireo tafika nandray anjara tamin’ny matso lehibe. Narahin’ireo fiara fitondran’izy ireo miisa 200 eo ho eo sy fiara-manidina miisa 6 ihany koa.

Etsy andaniny dia nandray anjara tamin’ity matso lehibe ity ihany koa ireo avy ao amin’ny Polisin’ny rano sy ny ala an’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires