• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mae
Image
Vaovao

Iray volan’ny teny malagasy : Nifaninana soratononina ny mpiasan’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny

26/06/2024 11:12 © Moov.Mg

Fomba nentin’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny nanamarika ny Iray Volan’ny Teny Malagasy ny fandraisana anjara tamin’ny fifaninana soratononina, izay nampanaovin'ny fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny teny malagasy eto anivon'ny minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Ny Fanagasiana

Ny diampenin'i Emilson Daniel Andriamalala, tao amin'ny boky mitondra ny lohateny hoe : "Ny Fanagasiana", no nakana ny lahatsoratra nifaninanana. 36 ny isan'ny mpandray anjara, ka isan’izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny sady minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana, Rasata Rafaravavitafika. Andrianantoandro Mbola, Talen’ny Vondrontendromparitra sy fiaraha-miasa iraisam-pirenena no nahazo ny laharana voalohany tamin’ity fifaninana soratononina ity. Notolorana boky miisa roa izy, izay natontan’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, dia ny “Loharano nipoiran’ny Teny Malagasy” sy ny “Soatoavina Malagasy”. Isan’ny loka azony ihany ka ny vola roa hetsy ariary. Zava-dehibe loatra ny mitandro sy mampiasa araka ny tokony ho izy ny tenindrazantsika, hoy ny minisitra Rasata Rafaravavitafika nandritra ny lahateniny. Harena tsy hitambarantsika amin’ny firenen-kafa ny teny malagasy ka mila hajaina sy kolokoloina, araka ny nambarany. Noho izany dia nanentana ny mpiara-miasa eo anivon’ity ministera iadidiany ity izy, mba hitandro toy anakandriamaso ny teny malagasy.

Fifaninanam-pirenena ho an’ny literatiora

Tsara ny mampahatsiahy fa efa nisokatra ho an’ny Malagasy rehetra, na eto an-toerna na any am-pitan-dranomasina, tamin’ny fiandohan’ity volana jona ity ihany koa, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny literatiora. Tsy hifarana ny fisoratana anarana ho amin’izany raha tsy ny 1 janoary 2025. Ahitana sokajy telo izany, dia ny amboaran-tononkalo, ny tantara foronina ary ny tantara an’onjampeo. Lohahevitra miisa roa no iompanan’ny fifanianana dia ny ady amin'ny fanolanana sy ny fandrindrana fiainam-pianakaviana. Mbola tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny Iray Volan’ny Teny Malagasy hatrany ity fifaninanana ity.

Lire la suite

Articles Similaires