• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fiompiana : Hanafatra katsaka hatramin’ny 26 000 taonina ny Interprofession Aviaire de Madagascar

25/06/2024 15:52 © Moov

Nahazo alalana hanafatra katsaka ny fikambanan’ny mpiompy akoho fakana nofo sy mpanatody lava ao anatin’ny Interprofession Aviaire de Madagascar (IPA). 26 000 taonina no navelan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana hafarana amin’izany. Natao indrindra hampidinana ny vidina atody sy akoho amin’izao fotoana izao izany.

Miakatra ny vidina katsaka

Anisan’ny akora fototra amin’ny fiompiana akoho ny katsaka. Mameno ny eo ho eo amin’ny 75% ny sakafon’ny akoho izany ka azo lazaina ho tsy maintsy hananana. Nahitana fiakarany anefa ny vidina katsaka amin’izao fotoana izao ka mampitombo ny masonkarenan’ireo mpiompy izany. Raha nanomboka tamin’ny 1 300 ariary izany dia efa tonga 2 700 izy amin’izao fotoana izao. Araka izany dia mba hamaliana ny fangatahan’ireto mpiompy ireto hiatrehana izany vidina akora fototra izany no antony namelana azy ireo hanafatra. Marihina fa mahatratra hatramin’ny 100 000 taonina isan-taona ny tsy fahampiana raha ny famokarana eto Madagasikara. Izany rehetra izany no mahatonga ny vidin’atody miaka-bidy matetika, raha ny fanazavan’ireo mpikambana ao amin’ny IPA. Fanararaotra ho an’ireto mpiompy ireto ity fanafarana ity. Hitondra tombony ho an’ny mpanjifa ihany koa amin’ny mety ho fidinan’ny vidin’entana.

Hampanarahana fenitra ny fanafarana

Na dia nanome alalana aza ny minisitera dia nametraka fitsipika sasantsasany momba ity fanafarana sy fampiasana ity katsaka ity. Napetraka izany mba hisorohana ny loza mety hitranga amin'ny olona sy hamerana ny fiantraikany amin'ny sehatra eto an-toerana. Tafiditra ao anatin’izany fepetra izany dia ny hanafarana ireo katsaka any amin'ny firenena iray tsy misy aretina katsaka. « Tokony ary tsy maintsy misy taratasy fanamarinana ny fiaviany sy taratasy fanamarinana fa afaka jifain’ireo biby fiompy ireo ny katsaka”, hoy hatrany ny fanazavana avy amin’ny Ministera. Zava-dehibe ihany koa ny tokony handaniana ireo entana ireo alohan’ny aprily 2025 mba tsy hifangaroany amin’ny vokatra eto an-toerana. Etsy andaniny anefa dia efa miroso ireo ezaka amin’ny fikarohana vahaolana maharitra mba hampitomboana ny famokarana eto an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires