• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fitaterana : Hisy ny lalàna vaovao mifehy ny fanaraha-maso ny vesatry ny fiarabe eny amin’ny lalam-pirenena

25/06/2024 13:06 © Moov

Handrafetana lalàna vaovao ny fanaraha-maso ny vesatry ny fiarabe mpitatitra entana eny amin’ny lalam-pirenena. Sampandraharaha maro no nivory ny faran’ny herinandro teo tany Toamasina amin’ny fanomanana izany. Isan’izany ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, ny « Agence Routière », ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro, ny Minisiteran’ny Varotra, ny Fadin-tseranana, ny Zandarimaria, miaraka amin’ireo mpitatitra isan-tsokajiny.

Hikojakojana ny fotodrafitr’asa

Tanjona tamin’ity fivoriana sy famoahana volavolan-dalàna vaovao ity ny fikojakojana ny fotodrafitr’asan’ny lalana. Nilaza ny avy ao amin’ny ministeran’ny Asa vaventy fa isan’ireo antoky ny fahatezan’ny lalana ny fanajana ny vesatra voafaritra. Ho hentitra araka izany ny fanaraha-maso sy ny fampiharana ity lalàna vaovao ity. « Ny tanjona dia mba ny hikojakojantsika sy hananantsika fotodrafitrasa maharitra sy lovain-jafy », hoy hatrany ny avy ao amin’ny Ministera. Maro ireo fepetra vaovao ho voarakitra ao anatin’izany lalàna voavao izany. Ankoatra ny lamandy ohatra dia anisan’ny ho hita ao anatin’io rijatenin’io didim-pitondrana io ny fampidinana avy hatrany ny entana eny amin’ireny toeram-pandanjana fiara vaventy ireny na « station de pesage » raha toa ka mihoatra ny vesatra tokony entiny ny entan’ireo fiara. Araka izany dia tsy maintsy mandalo toeram-pandanjana avokoa ireo fiarabe rehetra mandalo ny lalam-pirenena.

Misy andraikitry ny tsirairay

Ankoatra ireo fepetra ireo dia anisan’ny nodinihina ihany koa ny famaritana ny andraikitry ny tsirairay manoloana ny fanaraha-maso ny vesatra. Anisan’ny nivoitra nandritra ny fivoriana fa miantomboka any amin’ny fadin-tseranana dia tokony efa mipetraka ny fanaraha-maso ny vesatra, ary tsy tokony hanaiky hitondra vesatra mihoatra ny mpitatitra. Tapaka ihany koa fa ho faritana ao anatin’io volavolana didim-pitondrana vaovao io ny lanja ambony indrindra mahazo alalana hivezivezy eny amin’ny lalam-pirenena. Tsy maintsy hanaja izany avokoa ireo mpitatitra fiara vaventy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires