• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fiarovana ny ala : Mpianala 1 miandraikitra velarana 20 000 ha eto amintsika

25/06/2024 08:55 © Moov.Mg

« Mpianala antoky ny fandrosoana lovainjafy », io no lohahevitra nentina nankalazana ny andron’ny Vondron’ny Rano sy Ala notontosaina omaly 24 jona, teny Nanisana Antananarivo. Fotoana iray nanomezam-boninahitra ireo mpianala io andro io, izay manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fiarovana ny ala eto Madagasikara.

Vitsy an’isa loatra

Mbola tena vitsy ny mpianala eto Madagasikara. Raha ny fenitra mantsy dia tokony ho mpianala iray miandraikitra faritra 2.000 ha. Eto Madagasikara anefa dia 336 monja no isan’ny mpianala ankehitriny, ka ny 112 amin’izy ireo no vehivavy, izany hoe : mpianala iray, miandraikitra velarana mirefy 20 000 ha. Mavesatra anefa ny andraikitra sahanin’ireo mpianala. Isan’izany ny fitantanana sy fiarovana ny ala, izay misy ireo biby sy zava-maniry mila arovana mba tsy ho lany tamingana ; ny fandrindrana ny fanomezan-danja sy fampiasana ny harena voajanahary ; ny fampiharana ny lalàna manan-kery amin’ny fanenjehana ireo izay mandika izany ; ny fanentanana ny mponina amin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fitarihana ny ady amin’ny doro ala ; ny famerenana sy fanarenana ny ala amin’ny alalan’ny famokarana sy fizarana zana-kazo maimaim-poana ; ny fanaraha-maso sy ny fikolokoloana ny volihazo…

Mihatra aman’aina

Indraindray dia mihatra aman’aina mihitsy ny asa fiarovana sy fikajiana ny ala ataon’izy ireo. Tamin’ity taona ity izao dia nisy mpianala iray voatsatoka antsy, tamin’ny fotoana nidinany an-kianja. Isan’ny fomba iray azo iarovana azy ireny, araka ny nambaran’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Max Andonirina Fontaine, ny fanomezana azy ireny ny fampitaovana rehetra ilaina amin’ny fanatanterahana ny asany. Tsy ampy fitaovana koa mantsy ny mpianala eto amintsika. Tafiditra ao anatin’izany ny fitaovam-piadiana sy ny fitaovana ahafahana miserasera malaky. Tsara ny manamarika fa manana ny sata « paramilitaire » eo anivon’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ny mpianala. Mizara ho sokajy telo izy ireo, dia ny « Ingénieur Principal des Eaux et Forêts », nivoaka tao amin’ny Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ; ny « Adjoint Technique des Eaux et Forêts », niofana tao amin’ny « Ecole d’Application des Sciences et Techniques Agricoles » Iboaka Fianarantsoa, na tao amin’ny « Centre National de Formation des Techniciens Forestiers » Angavokely Carion ; ary ny « Agent Technique des Eaux et Forêts », nanaraka fiofanana manokana ho an’ny fiarovana ny natiora teo anivon’ny Ministera misahana ny Ala ihany.

Mari-pankasitrahana

Ho mari-pankasitrahana ireo mpisehatry ny rano sy ny ala, dia mpianala miisa 7 no nampiakarina galona, omaly, ary mpianala iray no notolorana ny mari-boninahitra « Chevalier de l'ordre national malagasy ». Ankoatra izay dia nisitraka mari-pankasitrahana manokana avy amin’ny Ministera ihany koa ireo Tale jeneralin’ny ala rehetra nifandimby sy ireo mpianala miisa 126, izay handray anjara amin’ny matso lehibe eo Mahamasina rahampitso 26 jona. Tsara ny manamarika fa amin'ity taona 2024 ity no betsaka mpianala indrindra mandray anjara amin’ny lanonana fankalazana ny niverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires