• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Comesa
Image
Vaovao

Herinandron’ny COMESA : Hetsika maro ho fanamarihana ny faha-30 taona, tanterahina eto amintsika

25/06/2024 08:14 © Moov.Mg

I Madagasikara no mandray ny herinandron'ny COMESA amin'ity taona ity. Nosokafana teny amin'ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy izany, omaly 24 jona 2024. Teo ambany fitarihan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika, sy ny sekretera jeneraly lefitry ny fitantanam-bola eo anivon’ny COMESA, ny Dr. Dev Haman.

Fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra

Mankalaza ny faha-30 taonany amin'ity taona ity ny Tsena iraisam-pirenena ho an’i Afrika Atsinanana sy Atsimo (COMESA). Isan'ny anamarihana izany tsingerin-taona izany ny herinandron'ny COMESA 2024 tontosaina eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Manana anjara toerana lehibe amin'ny fivondronan-tendromparitra ara-toekarena ato anatin'ny kaontinanta Afrikanina ny COMESA, tahaka ireo vondrom-paritra ara-toekarena valo hafa ao anatin'ny Vondrona Afrikanina. Miisa 21 ny firenena mpikambana ao aminy ary misolo tena mponina manodidina ny 700 tapitrisa aty amin'ny faritra Atsinanana sy Atsimon'i Afrika izy. Araka izany, zava-dehibe izao hetsika izao amin’ny fanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’ireo firenena mpikambana, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, nandritra ny fandraisam-pitenenany, ary mbola vonona tanteraka amin'izany i Madagasikara.

Mpiara-miombon’antoka goavana

Tao anatin’ny lahateniny no nilazan’ny Dr. Dev Haman fa vonona hatrany ny sekretarian’ny fitantanam-bola eo anivon’ny COMESA ny hiara-hiasa amin’ireo firenena rehetra mpikambana, mba hampiroborobo ny varotra iraisam-paritra. Ho an’i Madagasikara manokana dia mpiara-miombon’antoka goavana ny COMESA, ka 50 katramin’ny 100 tapitrisa dôlara ny fanondranana isan-taona ary famatsiam-bola mivantana 2,6 tapitrisa euros no azo, izay miantefa indrindra amin’ny sehatra tsy miankina. Hetsika maro no anamarihana ity herinandro ity, izay hiompana betsaka amin’ny fanazavana ny fandaharanasan’ny COMESA. Isan’ny hisitraka izany ireo mpianatra eny anivon’ny ambaratonga ambony. Hisy ihany koa ny atrikasa izay hiresahana manokana ny tombontsoa sy ny tolotra misy ho amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, ho an’ireo firenena mpikambana. Ankoatra izay dia tafiditra ao anatin’ny herinandron’ny COMESA ny hetsika iraisam-pirenena ara-toekarena, “Trade Fair & conference”, karakarain’ny federasiônan’ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha ao amin’ny tsenam-paritra COMESA (COMFWB), miara-miombon’antoka amin’ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM).

Lire la suite

Articles Similaires