• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Alfa Madagascar
Image
Vaovao

Build a healthy lifestyle – Fahasalaman'ny saina sy ny fahazoana aina

24/06/2024 20:25 © Moov

Ny 20%-n’ny ankizy sy ny tanora no ahiana hisy soritra fikorontanana ara-tsaina ankehitriny

Ny ankamaroan'ny Malagasy dia saika miaina ao anaty rotorotom-piainana avokoa amin’izao fotoana izao. Variana amin’ny fitadiavana ny ankamaroany, hany ka manadino ny maka aina sy miala voly ho fanalana sorisory. Raha ny vokatra navokan’ny OMS, ho an'ny faritra Antananarivo, 47% no fantatra fa ahitana soritra fikorontanana ara-tsaina ho an'ny taona 2023. Ny tanora manodidina ny 15 hatramin’ny 25 taona no tena voakasik’izany. Raha ny nambaran’ireo manampahaizana sy mpitsabo, ilaina ny manokana fotoana hanalana fahasosorana. Ilaina ny mitsiky, mihomehy sy miala amin’ilay fahazarana mety hiteraka rarin-tsaina. Ao anatiny ity tetikasa iray karakarain’ny ALFA Madagascar « build a healthy lifestyle » ho an’ny fahasalaman'ny saina sy ny fazahoana aina ity. Tanjona ny hanampiana ny Malagasy, indrindra ny tanora mba hanana toe-tsaina miabo. Maharitra 08 andro eo ny hetsika izay, nanomboka ny 17 jona ary hifarana ny 25 jona izao. Fandaharana maro no naroso tao anatin’ny roa herinandro nanatanterahana izany.

Fizarana miala amin’ny mahazatra

Tsy nijanona tamin’ny famelaberan-kevitra mahazatra fotsiny izy ireo fa niezaka nampandray anjara ny mpanatrika. Nisy, nandritra izany, ny « atelier de Sophrologie », fampianarana ny olona haka 30 minitra ao anatin’ny tontolo andro, hipetrahana sy handinihana ny fiainana. Ny « zentangle » na ny fanaovana kisary hitondrana fihetseam-po miabo. Ny fanaovana ady totohondry izay tena zava-dehibe raha maniry hanala sorisory. Ankotra izay , nisy ny « Atelier psycho socio », fifaninanana slam, sy ireo fizarana isan-karazany niarahana tamin’ny artista manana talenta maro. Ny vokatra andrasin’ny mpikarakara amin’ity hetsika « build a healthy lifestyle » ity dia ny hivoahan’ny olona mpandray anjara amin’ilay fahazarana manimba. Afaka ao amin’ny andavanandrom-piainan'ny tsirairay ireo fizarana rehetra natao. Tsotra ary mifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny Malagasy ny fandaharana naroso.

Lire la suite

Articles Similaires