• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Angovo azo havaozina : Hanampy an’i Madagasikara amin’ny angovo azo avy amin’ny rano i Indonezia

24/06/2024 16:38 © Moov

Hanampy an’ny Madagasikara amin’ny fanomezana herinaratra ny any ambanivohitra ny Indonezia. Voalohany amin’izany ny fanampiany amin’ny famokarana angovo avy amin’ny rano ao Ambositra. Tsara ny mampatsiahy hatrany fa laharam-pahamehana ho an’ny Fanjakana Malagasy, ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina, sy ny fampisitrahana herinaratra ny tontolo ambanivohitra.

Ho an’ny tontolo ambany vohitra

Raisin’ny Fanjakana ho laharam-pahamehana ny fanomezana herinaratra ny Malagasy rehetra indrindra ireo any amin’ny tontolo ambany vohitra. Ny Kaominina Ivony, ao Ambositra, Faritra Amoron’i Mania araka izany no anisan’ny voafidy hananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny rano. Hiarahana amin-dry zareo Indoneziana misahana ny « South-South and Triangular Cooperation in Decentralised Renewable Energy » (SSTC DRE) Madagasikara izany tetik’asa izany. Miara-miasa amin’izany ihany koa ny GIZ PERER avy amin’ny Alemana. Tetik’asa hitondra fiovana ho an’ny tontolo ambany vohitra izany, izay tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny fanjakana. Hotontosaina any Bali mandritra ny « Forum Asie/Afrique » ny 1 hatramin’ny 4 septambra ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa telo tonta, eo amin’i Madagasikara, Alemana, ary Indonezia.

Fanampiana ara-potodrafitr’asa

Raha ny lafiny ara-potodrafitr’asa dia nanome tokony ny GRET sy ry zareo Indonezianina ny amin’ny lafiny ara-pitaovana sy teknika. Nanome toky ny GRET fa hiantoka ny lafiny fananganana ity tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny rano ity sy ny fitaterana herinaratra (génie civil, aménagement du barrage, centrale hydroélectrique et réseau électrique). Etsy andaniny ry zareo Indoneziana kosa no mandray an-tanana ny fitaovana (turbine et accessoires) ary ny fampidirana herinaratra ho an’ireo mponina manodidina ny toerana hananganana ny fotodrafitrasa. Raha ny fanazavana avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoran’afo. Mialoha io volana septambra io anefa dia hatolotra ny 5 jolay izao ny antotan-taratasy mirakitra ny ambaindainy ho an’ny Tetikasa.

Lire la suite

Articles Similaires