• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rohinkanto
Image
Vaovao

Kolontsaina : Hiaka-tsehatra voalohany hitondra ny tantara an’onjampeo ho an-dampihazo ny « Rohinkanto »

24/06/2024 15:52 © Moov

Hisantatra sehatra ny « Rohinkanto » ny 30 jona ho avy izao. Hitondra an-dampihazo ny tantara an’onjampeo mitondra ny lohateny hoe « galifantsy » izy ireo amin’izany. Hiavaka ny hetsika hiarahana amin’ireto manatalenta amin’ny filalaovana tantara an’onjam-peo ireto.

Talenta maro no hafangaro

Mpilalao tantara amin’ny onjam-peo miisa 7 no mikambana ato anatin’ity fikambanana « Rohinkanto» ity. Ankoatra ny maha mpilalao tantara malaza azy ireo dia samy manana ny talenta mampiavaka azy ihany koa izy ireo. « Samy manana ny talentany avy ny tsirairay ka izay no mahatonga ilay anarana hoe Rohinkanto. Kanto samihafa no hafangaro mba hanome tantara an-tsehatra iray hafa », hoy i Ony Mihajanirina, anisan’ireo mpikambana sady mpilalao tantara ihany koa. Araka izany, amin’ny maha seho an-tsehatra azy dia ho hita mivantana ny tantara fa tsy voatery haka sary an-tsaina intsony ireo mpankafy. Ahita mivantana ireo mpilalao tantara malaza ihany koa. Anisan’izany ohatra i Vanintsoa, izay sady mpihira no mpitendry. Ao ihany koa i Le Mec, sady mpanentana fandaharana no mpandihy no mpanao « beat box ». Eo ihany koa anefa ireo fanta-daza hafa toa an'i Christophe Rabearimanana sy i Anjariliva, Arikaomisa Randria...

Hanandratra kolontsaina

Azo raisina ho kolontsaina toa ny mozika sy ny poezia ihany koa ny tantara amin'ny onjam-peo. Tanjon'ity fikambanana ity ny hanandratra izany indray amin'ny alalan'ity hetsika voalohany ity. "Manana ny maha izy azy ity sehatra ity ary kolontsaina ohatran'ny rehetra ihany. Tsy rariny ve raha hampivoarina sy hampiakarina ny lanjany ?", hoy hatrany ny fanazavana. Etsy andaniny dia azo lazaina ho kolontsaina feno ity tantara amin'ny onjam-peo ity satria mitondra anatra sy hafatra. Ankoatra izay dia tena fialamboly ihany koa izy ary natao ho an'ny taona rehetra. Hiavaka ny seho hoy ireo mpikarakara. Hisy seho dihy sy fanentanana samihafa eny anelanelan’ny seho an-tsehatra eny.

Lire la suite

Articles Similaires