• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Iom Madagascar
Image
Vaovao

Loharano II : Diaspora miisa 10 milatsaka antsitrapo manatanteraka ny tetik’asa

24/06/2024 13:28 © Moov

Noraisin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny teny Anosy ireo « diaspora » malagasy miisa 10. Hilatsaka an-tsitrapo izy ireo hanatanteraka ireo asa amin’ny tetik’asa Loharanao II. 7 tapitrisa euros no entin'ny Sampandraharaha Frantsay ho amin'ny Fampandrosoana hamatsiana ity tetik'asa ity.

Tanora avy amin'ny firenena maro

Tanora vonona handray andraikitra amin'ny fampandrosoana an'ny Madagasikara ireto 10 ireto. Avy amin'ny firenena samihafa, toa an'ny Chine, Canada ary France izy ireo. Samy hizara ny fahaizana noratoviny tany amin'ireo firenena nihaviany avy izy ireo. Hisehatra amin'ny sampana maro izy ireo ary hizara amin'ny faritra rehetra manerana ny Nosy. " Raha teto Antananarivo sy ny manodidina ihany no nanatanterahana ny tetikasa Loharano andiany voalohany dia haparitaka manerana ny Nosy izy amin'ity. Ireto tanora ireto no ho zaraina amin'izany. Ao ireo hizara ny mahakasika ny fananganana fotodrafitr'asa, ao ihany koa ireo hampiofana sy ireo izay hanampy amin'ny tosika ara-pahasalamana", hoy Rasata Rafaravavitafika, Minisitry ny Raharaham-bahiny. Marihina moa fa ity tetik'asa ity dia natao indrindra hisahana ny fampandrosoana ny fokontany. Hanampy amin'ny fametrahana ny fandriam-pahalemana. Araka izany dia hiasa eny akaikin'ny vahoaka tanteraka ireto tanora ireto.

Fitiavan-tanindrazana

Fitiavana ny Tanindrazana niaviana ihany koa no anisan'ny nanosika ireto tanora ireto ho mpilatsaka antsitrapo ato anatin'ny tetikasa. "Te hampandroso ny toerana niaviako aho. Efa nahazo fahalalana bebe kokoa dia te hampita izany ho an'ny mpiray tanindrazana", hoy ity mpilatsaka an-tsitrapo ho an'ny faritanin'ny Mahajanga iray. Hizara amin'ny faritra maro ireto tanora ireto ary samy hanana ny anjara asany. Miova isaky ny faritra ny asa ho atao ary hampifandraisina amin'ny filàn'ny isam-pokotany.
Tsara ny mampatsiahy fa tamin'ny taona 2019 no nnaomboka ny andiany voalohany. Taorian’ny olana goavana nosedraina tamin'ny fitsinjarana ny fanampiana avy amin'ny fanjakana nandritra ny COVID no nananganana ny komity loharano isaky ny fokontany. Hamafisina kokoa izany amin'ity andiany faharoa ity.

Lire la suite

Articles Similaires