• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Turtle Survival Alliance
Image
Vaovao

Turtle Survival Alliance : Sokatra 20.000 isa no averina amn’ny natiora, ao anatin’ny 5 taona

24/06/2024 11:58 © Moov.Mg

Vondrona iraisam-pirenena misehatra amin’ny fiarovana ny sokatra ny Turtle Survival Alliance (TSA) izay manana sampana eto Madagasikara. Sokake miisa 1.000 no naverin’izy ireo tany amin’ny toeram-ponenany voajanahary tamin’ny 23 mey lasa teo, nandritra ny andro eran-tany ho an’ny sokatra.

Fiaraha-mientan’ny mpisehatra

Ny TSA no mandray an-tanana ireny sokatra tratra saika haondrana an-tsokosoko ireny. Isan’izany, ohatra, ireo sokatra nariana tany Mahitsy sy tany Sabotsy Namehana vao tsy ela akory izay. Nanomboka ny taona 2021 izy ireo no mikarakara sy mamerina ireo sokatra any amin’ny toeram-ponenany voajanahary, ary efa an’arivony ireo biby ireo no tafaverina soa aman-tsara any anaty ala any. Tanjon’ny TSA ny hamerina sokara miisa 20.000 any anaty natiora, ao anatin’ny 5 taona. Tsy maintsy manaraka dingana ny fanatanterahana izany ary mitaky fiaraha-miasa amin’ny mpisehatra isan-karazany mba ho tanteraka soa aman-tsara. Ho an’ity famotsorana sokatra natao farany ity izao dia niara-niasa tamin’ny TSA ny ekipan’ny mpitsabo biby any amin’ny Saint Louis Zoo WildCare Institute, ny Mississippi Aquarium, ny Smithsonian Institute… izay samy any Etazonia. Teo ihany koa ireo mpianatra ho mpitsabo biby avy eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo.

Mandalo dingana maro

Milohan’ny hamotsorana ireo sokatra ho any anaty natiora indray, dia tsy maintsy jerena akaiky aloha ny toe-pahasalamany. Atokan-toerana mandritra ny enim-bolana izy ireo, izay vao apetraka amin’ny toerana izay manomana azy hiverina tsikelikely amin’ny toeram-ponenany voajanahary. Amin’ny andro hamotsorana azy ireo dia apetraka ao anaty koveta lehibe aloha ireo sokatra, mba ho ampy rano tsara, izay vao avotsora ho ao amin’ny toerana hianarany miverina any anaty natiora tsikelikely. Mbola manohy manara-maso azy ireo ny ekipan’ny TSA, mandritra izany, hahafantarana raha tena nahay niverina tamin’ny ala fiaviany tokoa ireo biby. Ankoatra ireo manam-pahaizana isan-tsokajiny dia miara-miasa amin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ary ireo vondron’olona ifotony ihany koa ny TSA, amin’ny fanaraha-maso sy fiarovana ireo sokatra.

Lire la suite

Articles Similaires