• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Min Du Tourisme Et De L'Artisanat
Image
Vaovao

Hetsika : Nahomby ny andiany voalohany ho an’ny foara iraisam-pirenena momba ny asa tanana

24/06/2024 09:40 © Moov

Nifarana omaly ny tsenaben’ny fizahantany andiany fahafolo sy ny asa tanana andiany voalohany. Tratra ny tanjona raha ho an’ny hetsika andiany voalohany ho an’ny asa tanana ity, hoy ny minisitra Joel Randriamandranto, Minisitry ny fizahan-tany sy ny asa tanana.

Fotoana iray nahafahana nanome lanja ny asa tanana malagasy iny fotoana iny. Samy faly avokoa na ireo mpitsidika na ireo mpampiranty.

Mahay ny mpanao asa tanana

Manankarena mpanatalenta ny Malagasy. Maro ny asa tanana hita sy nampirantiana nandritra io hetsika io ary nahafa-po avokoa izany. Na dia mbola trano eva 100 ihany aza no afaka natokana ho an’ireo mpanao asa tanana dia nahitana ny haren-tsain’ny Malagasy rehetra izany. « Faly ny mpitsidika. Misy ireo asa tanana izay nandritra ny fotoana teo mihitsy no nampisehoana ny fomba fanamboarana azy. Gaga ny mpitsidika ary tena afa-po rehefa nanontaniana », hoy hatrany ny minisitra. Azo lazaina ho betsaka ihany koa ny mpitsidika raha ny teto amin’ireto mpanao asa tanana ireto manokana izany. Azo lazaina ho nahalafo ihany koa ny ankamaroan’ireo mpampiranty, ka izay no hahafahana milaza fa nahomby iny andiany voalohany iny.

Omena lanja ny mpanao asa tanana

Ankoatra ny hoe mahay ireo mpanao asa tanana dia tsy maintsy omena tosika izy ireo hivoatra hatrany. Efa lalana tamin’izany iny foara iraisam-pirenena iny. Ankoatra izany dia hisy hatrany ny hetsika isan-taona ary haverina indroa izany. « Raha ny amin’ity taona ity dia ny faran’ny volana novambra izao na voalohan’ny volana desambra izao ny tsenaben’ny asa tanana manokana », hoy hatrany ny fanazavana. Fotoana iray natokana ho an’ny mpanao asa tanana rehetra indray ity. Tsy ho vaofetra ho 100 toy ny tamin’ny IHM ny amin’io fotoana io fa afaka handray anjara sy hampiseho ny fahaizany avokoa ireo mpanao asa tanana rehetra. Nosafidiana ihany koa io daty io satria akaiky fety fividianana fanomezana. Manan-danja tokoa ny mpanao asa tanana sy ny vokatr’izy ireo ka izany no antony hanosehana azy ireo hatrany. Manana karazany maro amin’izany ny Malagasy ka tsy very anjara ny filàn’ny tsirairay.

Lire la suite

Articles Similaires