• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 17 hatramin'ny 23 jona 2024

24/06/2024 00:04 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 17 jona hatramin'ny alahady 23 jona.

HCC # Mbola mikirakira ireo fitarainana mikasika ny fifidianana

Somary nangingina ny resaka politika tamin'iny herinandro lasa iny. Miaraka amin'ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialy mantsy ny fanomezana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana mikasika ireo fitoriana maro voaray. Samy naharaisana fitarainana avokoa moa na ny avy amin'ny kandida tsy miankina, na avy amin'ny kandida avy amin'ny IRMAR, na ny avy amin'ny kandida avy amin'ny antoko mpanohitra. Heverina fa mety hamoaka ny vokatra ny HCC amin'ity herinandro ity. Hatreto aloha dia mbola tsy misy ny fanambarana ofisialy mikasika ny daty hamoahana izany vokatra izany. Ampahatsiahivina fa tamin'ny 11 jona no namoahan'ny CENI ny voka-pifidianana solombavambahoaka vonjimaika. Roa herinandro kosa no ananan'ny HCC amin'ny fandinihana ireo fitarainana voaray sy hanatanterahana ny fanamarinana ny vokatra.

Kianja BAREA # Mitohy ny fanamboarana

Mbola tsy kivy ny eto Madagasikara fa manantena hatrany ny hahazoan’ny Kianjan’ny Barea handray lalao baolina kitra iraisampirenena indray. Mitohy izany ny asa fanamboarana, entina hangatahana ny « homologation » avy amin’ny CAF. Ny asa mikasika ny bozaka no natomboka tamin’iny herinandro lasa iny. Esorina avokoa ireo « gazon » ka atao eny amin’ireo zaridaina eto Antananarivo Renivohitra. Rehefa vita ny lanonana rehetra amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena, izay ampiasana ny kianja, dia hanomboka ny asa fametrahana ny bozaka vaovao. Mbola maromaro ihany koa ireo asa miandry, araka ny fanamarihana nataon’ny CAF.

Téléphérique # Tontosa ny andrana mitatitra olona

Ny zoma lasa teo no nanatanterahana ny andrana mitatitra olona ho an’ny fitanterana an-tariby eto Antananarivo Renivohitra. Ny ligne Orange no nisantarana izany, izay mampitohy an’Anosy sy Soarano. Ireo tompon’andraiki-panjakana ambony, notarihin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra, no nandeha voalohany tamin’ireo Cabines. Tsy nisy olana mihitsy ny dia, ary 3 minitra sy 15 segondra no faharetany. Hisy ny mpandraharaha ara-barotra hanodina ity fitaterana ity. Miankina amin’ny fandaminana rehetra mifandraika amin’izany ny hanombohan’ny fitaterana ho an’ny daholobe.

Fankalazana ny 26 jona # Antsam-piderana tetsy amin'ny kianja Barea

Tontosa omaly alahady 23 jona ny Antsam-piderana, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina. Tonga maro ny nasaina, na dia namirifiry sy nanerika aza ny andro. Mpanakanto malagasy sy vahiny no nanotrona ny fotoana. Anisan’ny tena nanintona ny maro i Maggie Blanchard, mpanakanto evanjelika malaza. Nisy ny hira, dihy sy fitondrana am-bavaka ny firenena. Mitohy hatrany ny fankalazana ny fetim-pirenena, amin’ny alalan’ny Podium eny Anakely isan-kariva. Amin’ny 25 sy 26 jona hariva kosa ny Afomanga. Tsiahivina fa ny marainan’ny 26 jona ny matso lehibe, eny Mahamasina, izay hanasana ny rehetra amin’ny fanotronana.

Fitsarana # Fanatsarana ny fandraisana an-tanana ny raharaha mikasika ny ankizy

Mitohy hatrany ny fankalazana ny Iray Volan'ny Ankizy. Ho an'ny Ministeran'ny Fitsarana manokana, nisy ny fivoriana natao hanatsarana ny fomba fitsarana ny raharaha izay misy idiran’ny ankizy mba ho fitsinjovana ny tombotsoa ambonin’izy ireo. Nandritra ny telo andro io hetsika io. Nifampizara ny fampiharana ny lalàna manankery sy ny olana mety sedrain’ny ratsam-pitsarana ary hijery vahaolana mba ho fampandrosoana ny raharaham-pitsarana sy ho fiarovana ny zon’ireo ankizy manan-draharaha ny mpandray anjara rehetra.
Mifanandrify hatrany amin’ny Andry voalohany napetraky ny Filoham-pirenena dia ny fanandratana ny maha olona, sy ny andry fahatelo dia ny Fanjakana tsara tantana izany hetsika notanterahin'ny Ministeran'ny Fitsarana izany.

Ady amin'ny kolikoly # Fanambaram-pananana nataon'ny mpiasan'ny MIC

Tafapetraka teny amin’ny BIANCO ny fanambaram-pananan’ireo mpiasam-panjakana ambony ao amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), ny 19 jona lasa teo. Notsindrian’ny Sekretera jeneralin’ny MIC Ranoelimanana Rasamoely Vahinisoa Seheno, fa dingana mariky ny finiavana hiady amin’ny kolikoly sy fijoroana amin’ny manara-dalàna izao fanambaram-pananana izao. « Fepetra fisorohana ny kolikoly ny fanambaram-pananana ary hitandrovana ny hasina ho tombontsoan’ny Malagasy rehetra », hoy ny Tale jeneralin’ny BIANCO, Laza Andrianirina, nanoloana ireo tompon’andraikitra avy amin’ny MIC ireo.

Fiarovana ny mpanjifa # Amafisina amin'izao ankatoky ny fetim-pirenena izao

Fety lavitry ny fanararaotana : Izany no tanjon’ny Minisiteran’ny varotra amin'izao fankalazana ny 26 Jona izao. Irina tokoa mantsy ny mba hanaovan'ny Malagasy fety am-pilaminana, tsy hisy fanapoizinana ara-tsakafo na fametsifetsena ny mpanjifa. Miparitaka any amin’ny faritra samihafa manerana ny Nosy, araka izany, ireo mpanara-maso ny varotra sy ny fifaninanana.
Entana lany daty sy efa simba milanja 150kg no tratra tao Ihosy sy Andohanilakaka nandritra ny fisafoana nataon’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) Ihorombe ny 4 ka hatramin’ny 7 Jona 2024. Nahitana zava-pisotro, paty, vokatra avy amin’ny ronono, loko sy zavatra hafa koa ireo entana ireo izay tsy maintsy nopotehina sy nodorana ny Zoma 14 Jona lasa teo.

Androy # Arahi-maso ny kalitaon'ny sira misy ioda

Mbola ambany ny taha-pahavitrihan'ny malagasy amin'ny fampiasana sira misy ioda. Mbola 40% izany ankehitriny raha 90 ny taha tratrarina amin'ny taona 2026. Izany indrindra no hanamafisana ny fanaraha-maso ny kalitaon'ny vokatra.
Hateloana, ny 13 ka hatramin’ny 15 Jona 2024 lasa teo, no nanatanterahana ny atrikasa fanofanana tao Ambovombe Androy izay nahitana mpandray anjara avy eo an-toerana, mpikambana ao amin’ny I-team eo anivon’ny Faritra, ny solontena avy ao amin’ny Faritra sy solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC). Nisy ihany koa ny fitsidihana ny toeram-pamokarana sira tao Ihodo sy fanomezana fitaovana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka UNICEF hoentina manara-maso ny vokatra ao an# toerana.

Diana # Nihena ny vidin'ny vary sy ny entana maromaro eny an-tsena

Mbola misedra olana ny any amin'ny Faritra Diana, noho ny mbola tsy fahavitan'ny lalana RN6 mampifandray an'Ambilobe sy Antsiranana. Na izany aza, nidina 850 Ar hatramin’ny 800 Ar ny vary gasy iray kapoaka amin’izao fotoana izao. Antenaina fa mbola hidina izany satria mitobaka ny vokatra ankehitriny. Efa ahitana siramamy 5 000 Ar/kg koa eny an-tsena satria efa manomboka mivoaka ny vokatra avy amin'ny orinasa SUCOMA.
Raha ny legioma indray dia efa ahitana 5 000 Ar/kg, ohatra ny voatabia, raha toa ka 15 000 Ar izany tamin'ny fandalovan'ny rivodoza farany teo. Toy izany koa ny ovy izay efa ahitana 4 000 Ar ny kilao raha toa ka 10 000 Ar izany tamin'ny fotoanan’ny rivodoza. Raha bangoina dia efa mitobaka ny entana ilaina andavanandro any amin'ny faritra Diana ary tsy atahorana ny tahiry hiatrehana ny fetin'ny Fahaleovantena 26 Jona.

CUA # Andro Afrikana ho an'ny asam-panjakana
"Ny hai-tao ara-kajy mirindra eny anivon’ny asam-panjakana, fanoitran'ny tsara tantanana" io no lohahevi-dehibe nandritra ny fanamarihana ny andro Afrikana ho an'ny asam-panjakana, nampiantranon'ny kaomina Antananarivo Renivohitra eo amin'ny Parvis Analakely.
Ireo rehetra nandray fitenenana dia samy nanamafy fa isan'ny lalan-kizorana anatin'ny tsara tantana sy ny ady amin'ny kolikoly ny "digitalisation". Nanamafy izany ary nilaza fa ahitam# boka-tsoa amin'ny tsara tantana ao anivon'ny Kaomina Antananarivo Renivohitra ny firosoana amin'io politikam-panjakana io ny Talen'ny CBGLCC Andriamalalarimanga Haja Thierry, izay nisolo tena an'Andriamatoa PDS.

Lire la suite

Articles Similaires