• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Ozinina Miaramila : Hovokarina eto amintsika ny bala "à blanc" manomboka izao

20/06/2024 10:30 © Moov.Mg

Manana fitaovana azo entina mamokatra karazana bala ny Ozinina Miaramila Malagasy ao Moramanga. Nankatoavin’ny Filàn-kevitry ny Minisitra natao omaly 20 jona 2024, ny hamokaran’io ozinina io bala "à blanc".

Tsy misy mamatsy

Raha tsiahivina dia tamin’ny fotoanan’ny Repoblika faharoa no nananganana ity Ozinina Miaramila Malagasy ao Moramanga ity. Mamokatra ireo sokajiana ho "produits stratégiques", toy ny vanja sy bala izy, ka manodidina ny 500.000 isa isan-taona ny bala vokarina, raha toa ka 300.000 isa no tena filàn'ny tafika malagasy. Ao anatin’ny tanjona, araka izany, ny hanatsarana hatrany ny milina mpamokatra, mba hahafana manondrana ireo vokatra mankany ivelany. Momba ny bala "à blanc" manokana dia voalaza fa efa hatramin’ny taona 1992 no tsy namatsy izany ho antsika intsony ny avy any ivelany. Tena ilain’ny Tafika Malagasy anefa izany, toy ny amin’ny fiofanana, ny fanazaran-tena eny an-kianja sy amin’ireo lanonana ara-miaramila samihafa. Mety hila azy ihany koa ireo sivily, amin’ireny fanodinana horonan-tsary ireny, ohatra.

Manamboatra fampitaovana

Araka ny tapaka tao anatin’ny filàn-kevitry ny minisitra omaly ary dia hamokatra bala "à blanc" ny Ozinina Miaramila, izay hamboarina amin’ny takelaby mifono varahina, mikombona ny vozony, ary mirefy 7,62 x 39 mm, ho an’ny Kalachnikov. Manana ny fitaovana azo anamboarana izany ny ozinina, indrindra taorian’ny nanavaozana azy tamin’ny taona 2016. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ireo fitaovana ampiasaina ao anatiny. Ankoatra ny fitaovam-piadiana dia isan’ny amboarin’ity Ozinina Miaramila ity ihany koa ireo karazana fampitaovana rehetra ilain’ireo mpitandro ny filaminana eo anivon’ny Tafika sy ny Zandarimariam-pirenena, toy ny fanamiana. Ahitana "champs de tirs électrique" izay hahafahan'ireo mpitanndro ny filaminana miofana ihany koa ao an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires