• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bianco
Image
Vaovao

Ady amin’ny kolikoly : Nanao fanambaram-pananana ny tompon’andraikitra ao amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany

19/06/2024 16:19 © Moov

Nanatanteraka ny fanambaram-pananana teny anivon’ny Birao misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny Bianco ireo tompon’andraikitra ambony rehetra avy ao amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany anio. Nitarika izany ny Sekretera Jeneralin’ity ministera ity.

Fangaraharan’ny asam-panjakana

Fenitra iray hahafahana miady amin’ny kolikoly ity fanambaram-pananana ity. Araka ny lalàna 2016-020 amin’ny ady amin’ny kolikoly dia ireo tompon’andraikitra ambony isaky ny departemanta sy ny sampan-draharaham-panjakana rehetra no tokony hanao izany. Hahafahana mampangarahara ny asam-panjakana no antony lehibe indrindra ilaina izany. « Hanazavana ny fihariana harenan’ireo mpiasam-panjakana no tena ilaina ity fanambaram-pananana ity. Amin’izay fotoana izay dia mora ny ady amin’ny fanodikodinam-bola ary miverina ny fitokisan’ny olona ny sampan-draharaham-panjakana », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny BIANCO, nandray azy ireo. Marihina araka izany fa ny mpitantanana rehetra ao amin’ny Ministera, ireo sampan-draharaha rehetra mifandray amin’ny ministera, ny OMNIS, ny SMM ary ny « laboratoire national des mines » dia nandray anjara tamin’ity anio ity avokoa.

Tsy ampiasaina avy hatrany

Na dia manatanteraka ity fanambaram-pananana ity avokoa aza ireo tompon’andraikim-panjakana rehetra dia tsara ny manamarika fa tsy voatery ho ampiasaina avy hatrany amin'ny fanadihadiana izany. Etsy andaniny nefa dia zavatra marina, tsy manjavozavo sy tsy misy hanampiana na hanalana no tokony atao anaty fanambarana. « Ny valin’asan’ny mpanao ratsy dia tsy maintsy misy. Anisan’ny fomba iray hahafahana manaporofo sy mitazona azy ity fanambaram-pananana ity », hoy hatrany ny avy ao amin’ny BIANCO.
« Fomba iray hanehoanay ny fahavononanay hiady amin’ny kolikoly ihany koa izao hataonay izao », hoy kosa ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera. Efa maro ny dingana hataon’ity ministera ity amin’izany. Raha ny fanazavana hatrany dia efa manana ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly izy ireo. Izany no natao mba hahazoana vokatra betsaka kokoa.

Lire la suite

Articles Similaires