• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Antananarivo sy Nanning any Sina : Ho tanàna mpirahavavy, manomboka amin’ny volana jolay

19/06/2024 13:22 © Moov.Mg

Miroso hatrany ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy i Sina. Ho an’ny omaly 18 jona 2024, dia ny Filohan'ny Delegasiônina manokan'ny tanànan'Antananarivo (PDS), Richard Ramanambitana, no nihaona tamin’Atoa Ji Ping, masoivohon'i Sina miasa sy monina eto Madagasikara.

Tanàna maitso

Nivoitra voalohany indrindra tamin’ny dinika nifanaovan’ny PDS Richard Ramanambitana sy ny masoivohon'i Sina, Atoa Ji Ping, nandritra ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ity farany tao amin'ny birao fiasan'ny Filohan'ny Delegasiônina manokan'ny tanànan'Antananarivo, omaly hariva, ny momba ny fanakambanana ny tanànan’i Nanning any Sina amin’ny tanànan’Antananarivo. Renivohitry ny faritra mahaleo tena Zhuang any Guangxi Sina, ity tanàna ity. Antsoina hoe : « tanàna maitso » ihany koa izy, noho ny fananany zava-manirin’ny tany mafana (flore tropicale) be dia be mandravaka ny tanàna. 160 km monja no manasaraka azy amin’i Vietnam. Tanàna maha-te hitsidika izy, noho izany, indrindra ho an’ireo mpizahatany tia toerana milamindamina. Nosokajian’ny governemantan’i Sina ho tanàna manana tontolo tsara indrindra ho an’ny toeram-ponenana rahateo i Nanning. Any Sina, amin'ny volana jolay ho avy izao, no hanatanterahana ny lanonana fanakambanana an’i Nanning sy Antananarivo.

Hazavana sy Asaramanitra

Isan’ny nifampiresahan’ny roa tonta ihany koa ny momba ny fametrahana jiro ho fanazavana ny tanànan’Antananarivo, mba ahafahana miady amin'ny tsy fandriampahalemana amin'ireo toerana mafampana amin’ny asa fanendahana, vaky trano sns. Naneho ny fahavononany hanolo-tanana amin’izany i Sina. Nisongadina tao anatin’ny dinika, ankoatra izay, ny fandraisan’anjaran’ny Masoivohon'i Sina eto Madagasikara amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena izay hotanterahina amin’io herinandro ho avy io. Ny fiadidiana ny Repoblikan’i Madagasikara rahateo moa dia efa nanamarika fa homarihina amin’ny fomba miavaka ny fitsenana ny Asaramanitra, amin’ny alalan’ny afomanga sy ny "show drones", eo amin’ny farihin'Anosy, ny 25 jona izao. Havanana amin’ny seho mahavariana ny maso tahaka izany raha i Sina.

Lire la suite

Articles Similaires