• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Oms Ghana
Image
Vaovao

Fahasalamana : Tokantrano miisa 6 tapitrisa mahery heverina hisitraka lay amin’ity taona ity

19/06/2024 13:18 © Moov

Manomboka ny ady amin’ny tazomoka ho an’ity taona 2024 ity. Ao anatin'ny fanombohana ny asa fanatanterahana ny fizarana lay ankehitriny ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka. Tokantrano miisa 6 tapitrisa mahery no hisitraka lay amin’ity hetsika ity.

Zaraina maimaim-poana

Tafiditra ao anatin’ny tanjona ny hiarovana manontolo ny malagasy rehetra mba tsy ho voan’ny tazomoka intsony ity hetsika fizarana lay ity. Araka izany dia zaraina maimaim-poana ny lay manerana ny Nosy. Efa nanomboka ny alatsinainy teo ny hetsika. Fivoriana sy dinika hijerevana ny anjara lay sahaza ny toerana tsirairay sy ny fomba hitaomana izany isa-tanana no hatao mandritra izany. Midina ifotony ny ekipa foibe miady amin'ny tazomoka na ny PNLP (Programme National de Lutte contre le Paludisme) ankoatra izany. Miaraka amin' ireo Tompon' andraikitra ifotony sy ny tompon'andraikitra ny tazomoka eny amin'ny distrika ary ireo sefo CSB ao aminy no hanatanterahana izany hetsika izany. Marihina moa fa anjara asan’ny fanjakana no manao izany ary tsy misy vola alohan’ireo mpisitraka mihitsy. Etsy andaniny dia mitana anjara toerana lehibe amin’ny fanafoanana ny aretina tazomoka ity fampiasana lay ity. Nanamarika ny avy ao amin’ny PNLP fa tanteraka izany raha hampiasaina araka ny tokony ho izy ireo lay zaraina. Izany hoe hampiasaina hatoriana mba tsy handairan’ny kaikitry ny moka mitondra aretina.

Hampidinina ny tahan’ny olona marary

Tanjona lehibe indrindra amin’ity asa hatao amin’izao fotoana izao ity hampidina farany izay haingana ny tahan’ny olona marary sy matin’ny tazomoka. Aorian’izany ny hanafoana tanteraka azy. Raha hampahatsiahivina dia vao iray volana izay ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka no nanambara fa nahitana trangana tazomoka miisa 2,8 tapitrisa ny tamin’ny taona lasa. Nahitana fiakarana izany raha oharina amin’ny tamin’ny taona 2022. Etsy andaniny dia miha-mahery vaika ihany koa ny fisehon’ity aretina ity. Hatramin’izao dia mbola ny fiarovan-tena mialoha hatrany no vahaolana amin’ity aretina ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana lay. Tsara koa ny mampatsiahy fa tsy mahafaty ity aretina ity raha manaraka fitsaboana sy ny fiarovana araka ny tokony ho izy.

Lire la suite

Articles Similaires