• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Apipa
Image
Vaovao

Fiarovana amin’ny tondra-drano : Hanala tsikafona amin’ny alalan’ny « opération Fantsika » ny APIPA

19/06/2024 12:18 © Moov

Miditra amin’ny fanatanterahana ny « opération FANTSIKA » na ny « hetsika FANalana TSIKAfona » ny avy ao amin’ny APIPA (Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d’Antananarivo). Herinandro maromaro no natokan’ity sampan-draharaha ity hanatanterahana ny hetsika. Tanjona amin’izany ny hanalana faran'izay haingana ireny tsikafona tena mitoby be miteraka fitohanan'ny fivoahan'ny rano avy any anaty tanàna ireny.

Mampiasa fitaovana ari-fomba

Raha ny mahazatra tamin’ity fanalana tsikafona ity dia tanana hatrany no nampiasaina tamin’izany. Amin’ny maha hetsika lehibe kokoa ity « opération FANTSIKA » ity dia nampiasaina fitaovana mihitsy izany. Marihina moa fa mitombo vetivety ny tsikafona ka manakana ny fivoahan’ny rano. Izany indrindra no miteraka ny tondra-drano. Araka izany dia laharam-pahamehana ny asa fanalana ireny manomboka amin’izao main-tany izao. Fitaovana toy ny « pelle mécanique » no ampiasaina amin’izany. Misikotra mivantana ny tsikafona avy any anaty lakan-drano ity. Ao anatin’izany ihany koa ireo fiara vaventy toy ny « Camion Benne » hametrahana sy mitatitra avy hatrany ny tsikafona ho eny Andralanitra. Tsy misy hatahorana intsony ny fametrahana ireo tsikafona eny amoron-dalana sy eny amoron'ny lakan-drano eny.

Mitohy amin’ny faritra mena

Mitohy eny Amin'ny faritra mena hafa eny Ampefiloha ny hetsika aorian'izao ho fiarovana ny mponina sy ny manodidina rehetra eto andrenivohitra. Marihina fa natomboka teny amin’ny lakan-dranon'Andriantany manandrify an'i Tsaramasay ny asa. Ny anton’izany dia noho ny fahitana fa efa tena naniry be sy mampitohana zavatra maro tamin'ny fiainan'ny mponina izany. Mirefy eo amin'ny 420m mahintsy eo io. Andro maro no hanatanterahana ny hetsika ka tsy maintsy ho vita avokoa ireo toerana tena ahitana tsikafona matevina rehetra. Hahazo ny anjarany avokoa ireo mponina mipetraka manamorona ny lalandrano. Tsara ny mampatsiahy fa ny fandraisana andraikitra mialoha toy izao dia mitana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana sahady amin’ny tondra-drano rehefa fahavaratra.

Fanentanana

Nanamafy ihany koa ny avy ao amin’ny APIPA fa fako no mameno ny lakandrano. Araka izany dia handray fepetra izy ireo amin’ireo izay minia manary fako anatin’ny lakandrano. Mailohan’izany anefa dia manentana ny amin'ny tsy hanariana fako any anatin'ireny lakan-drano ireny izy ireo. Fihetsika miaro ny mponin’Antananarivo rehetra. Anisan’ny mandray anjara amin’ny fiarovana ny tena sy ny olona hafa araka izany io fihetsika io.

Lire la suite

Articles Similaires