• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Page 2
Image
Vaovao

Tetik’asa Page 2 GIZ : Fianakaviana 1 800 nisitraka tombony tamin’ireo tetik’asa fiarovana ny tontolo iainana

19/06/2024 11:11 © Moov

Nahomby ny tetik’asa Page 2 an’ny fiaraha-miasa Alemana GIZ. Fianakaviana miisa eo ho eo amin’ny 1 800 eo avy ao amin’ny faritra Boeny sy Diana no nahazo tombony tamin’izany. Tapitra tamin’ity taona 2024 ity ny tetik’asa ka varavarana misokatra ho an’ny rehetra no nanamarihana izany tetsy Analakely. Fotoana iray ihany koa nanaovana ny tomban’ny tetik’asa.

Fanampiana ny Vondron’olona Ifotony

Singa iray lehibe amin’ireo tombony azo tamin’ity tetik’asa ity ny fanamafisana sy fanatsarana ny velontenan’ireo olona eny ifotony. Dingana iray amin’ny fanatrarana ny tanjona ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana izany hetsika izany. « Raha tsy ampiana ireo vondron’olona ifotony ireo dia tsy misy fiarovana ny aty ala vanona sy ny tontolo iainana », hoy ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Araka izany dia maro ireo asa noforonina tamin’ny alalan’ity tetik’asa ity mba hanamafisana ny velontenan’izy ireo. Ao anatin’izany ohatra ny fanamboarana arina maitso na ny « charbon vert ». Tsara ny manamarika fa misy fifandraisany lehibe eo amin’ny fahantrana sy ny fanimbana ny tontolo iainana. Izany no anton’io fanampiana manokana ny VOI mipetraka manodidina ny toerana arovana io. Mifanaraka amin’izany, ity tetik’asa Page 2/GIZ ity dia nanao ny tetikasa Afafi-Nord-AF. Manohana ny fampandrosoana ireo fomba fihariana miisa 6 mifandray amin'ny harena voajanahary ao amin'ny faritra Diana sy any amin'ny distrikan'Ambilobe.

Page 3 GIZ

Hiditra amin’ny tohiny ny tetik’asa araka izany, noho ireo tombontsoa rehetra azon’ireo mponina ireo sy ny tontolo iainana eto Madagasikara. Hatomboka ny volana jolay 2024 ho avy izao indray ny Page 3 GIZ raha ny fanambaran’ny avy ao amin’ny MEDD sy ny GIZ. Nanamarika manko ireto tompon’andraikitra ireto fa tratra ny tanjona ka rariny raha tohizana ny asa. Ankoatra io fanampiana ny VOI io dia nahazo tombony ihany koa ny sampan-draharaha maro amin’ny ministera. Teo ihany koa ny fampitomboana ny velaran-tany rakotra ala tamin’ireo toerana roa niasana ireo. Marihina fa mitentina maherin’ny 1 miliara ariary iny tetik’asa Page 2 iny ary famatsiam-bola avy amin’ny GIZ avokoa izany.

Lire la suite

Articles Similaires