• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mefb
Image
Vaovao

Angovo azo havaozina : Namatsy 18 tapitrisa euros, vola tsy averina, ho an’i Madagasikara i Alemaina

19/06/2024 09:22 © Moov.Mg

Vita sonia omaly ny tetikasa Famatsian-jiro any Ambanivohitra amin’ny herinaratra azo avy amin’ny angovo azo havaozina dingana faha-III (ERER III). Ny Banky alemana ho an'ny fampandrosoana (KWF) no mamatsy vola ny governemanta malagasy amin’izany.

Herinaratra any ambanivohitra

Fifanarahana fanomezam-bola tsy averina mitentina 18 tapitrisa euros no niompanan’ny fifanarahana notanterahina omaly 18 jona 2024 teny Antananinarenina. Nisolo tena ny Governemanta Malagasy tamin’izany ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, niaraka tamin'ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran'afo, Jean-Baptiste Olivier ary ny Sekretera mpanatanteraka mpisolo toeran'ny ADER, izay sampan-draharaha misahana ny fampiroboroboana ny fampidirana herinaratra amin'ny tontolo ambanivohitra, Vanomaro Tombo Elson Joëlinet. Teo an-daniny kosa ireo ekipa avy amin'ny KFW, dia ny Dr. Antje Göllner-Scholz, tompon'andraikitry ny asa eo anivon'ny masoivohon'i Alemaina sy Ramatoa Dorothée Honauer, mpisahana ny kitapom-bola eo anivon’ny KWF. Araka izany, ity tetikasa ity dia hampiasaina hamatsiana ny tetikasa famokarana herinaratra any ambanivohitra mampiasa angovo azo havaozina. Ho entina mampiroborobo ny fahazoana herinaratra maharitra ho an’ny mponina any ambanivohitra amin’ny vidiny mirary ihany koa izy ity.

Fampandrosoana an’i Madagasikara

Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fifanarahana momba ny fampandrosoana iarahan’i Madagasikara, amin’ny Repoblika federalin’i Alemaina ity tetikasa ity. Izany fiaraha-miasa izany, raha tsiahivina, dia notanterahina tany Berlin Alemaina, tamin’ny 10 mey 2023, nosoniavin’ny Minisitera Federaly Alemana misahana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampandrosoana (BMZ) sy ny Repoblikan’i Madagasikara. Taorian’ity fifanaovan-tsonia natao omaly ity, dia tafakatra 60 tapitrisa euros ny fandraisan’anjaran’i Alemaina amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina.

Lire la suite

Articles Similaires