• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Fiarovana ny harena voajanahary : Mila arovana ny zon’ireo vondron’olona ifotony

18/06/2024 16:51 © Moov.Mg

Tsy azo tsinontsinoavina ny anjara toeran’ireo vondron’olona ifotony (VOI) amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Ho fanomezan-danja azy ireny dia notanterahina androany ny dinika nasiônaly momba ny fiantohana ny zon’izy ireo.

Dinika nasiônaly

Matetika iharan’ny tsindry ny VOI eo am-panatanterahana ny asany. Misy amin’izy ireo no iharan’ny antsojay, hatramin’ny fandrahonana ho faty mihitsy, noho ny fiarovana ireo harena voajanahary izay tokony hahasarotiny ny Malagasy rehetra. Noho izany indrindra no antony nanatanterahana ny dinika androany teny Ankerana, izay niarahana tamin'ireo fiarahamonim-pirenena miasa amin'ireo Tetikasa iaraha-manatanteraka amin'ireo vondron'olona eny ifotony. Misy amin’izy ireo no mpisehatra ara-tontolo iainana ary misy no miasa eo amin’ny sehatry ny jono. Araka izany, nanatrika ity dinika ity ireo minisitra voakasika mivantana, dia ny minisitry ny jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert, sy ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina. Samy nitondra fanazavana mahakasika ny fitantanana sy ny fiarovana ireo harena voanjanahary avy izy ireo mba hamapaharitra izany.

Mahalala ny eny ifotony

Zava-dehibe ny fanomezan-danja ireo vondron'olona eny ifotony, noho izy ireo mahafantatra ny tena zava-misy marina, manoloana ny fanimbana ny tontolo iainana an-tanety sy anaty ala ary ny anaty rano, toy ny fangalana tsy ara-drariny ireo harena anatirano sy ny fanondranana an-tsokosoko ireo biby arovana. Iharan’ny tsindry anefa ireny VOI ireny rehefa mitoroka, na mandray andraikitra hafa amin’ny fiarovana ireo harena voajanahary ireo. Nanamafy ny ministera roa tonta fa vonona ny hifanome tanana amin'ireo VOI sy ny fiarahamonim-pirenena, amin'ny fiarovana ireo harena voanjanahary, ho fiantohana sy fiarovana ny zon’ireny mponina eny ifotony ireny.

Lire la suite

Articles Similaires