• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cirgn
Image
Vaovao

Fankalazana ny 26 jona- Kerimesin’ny hery fiarovana sy ny filaminana

18/06/2024 16:40 © Moov

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany ny fankalazana ny kerimesin’ny hery fiarovana. Eny Betongolo izany no atao ho an'Antananarivo.

Samy hahazo fahafaham-po ny rehetra

Efa fanaon’ny Tafika malagasy ny fanaovana ny kerimesy lehibe. Mandritra ity hetsika ity no hampirantina ireo trano eva maro isan-karazany manamarika ny Folohalindahy malagasy sy ny hery fiarovana. Fomba iray entina hanamarihana ny fiverenan'ny fahaleovantena izy ity. Mandritra ny kerimesy dia misy ny fampisehoana iarahana amina mpankanto isan-karazany sy kilalao mampiala voly ho an’ny rehetra. Manerana ny nosy no hanatanterahana ny kerimesin’ny hery fiarovana. Raha ny eto an-drenivohitra dia tetsy amin’ny kianja malalaka Betongolo no nanombohana ny fety fankalazana ny faha 64 taona niverenanan'ny fahaleovantena. Misokatra ho an'ny besinimaro ireo fampirantiana sy hetsika ara-kolontsaina rehetra eny an-toerana. Manomboka androany ihany koa dia efa misy kerimesy any amin'ny faritra ivelan'Antananarivo.
Nambaran'ny minisitrin’ny Foloalindahy, ny Général de corps d’armée Sahivelo Lala Monja Delphin fa « ny hametrahana fandriampahalemana maharitra hatrany no tanjona amin'izao fankalazana ny fetim-pirenena izao ». Niantso ny rehetra hanao fety ao anatin'ny filaminana ny tenany amin’izao kin’ny 26 jona izao.

Ny saina no isany mampiavaka an'i Madagasikara amin'ny firenen-kafa

Fety mendrika hankalazaina ny fetim-pirenena. Tombony ananantsika malagasy ny nahazoana izany fahaleovantena izany. Na misy ary ireo disadisa maro sy tsy fitoviana isan-kazarany, marika hanehoana ny fitiavan-tanidrazana ny fankalazana ny fetim-pirenena. Raha ho an'ny Malagasy dia ny faneva no teny malagasy nentina hatramin'ny andro faha mpanjaka nandritra ny fitondrany Radama hiantsona ilay lazaina hoe ''saina''.
Raha ny hevitry ny atao hoe saina dia midika hoe marika na famantarana avy amin'ny teny hoe '' ancêne''. Raha tsiahivina, tao aorian'ny référendum 1958, dia nisy ny fifaninanana sainam-pirenenana, sy ny hiram-pirenenana ka nahazoany an' ireo loko telo mandrafitra azy fotsy, mena, maitso. Ny saina araka izany no isany mampiavaka an'i Madagasikara amin'ny firenen-kafa. Izy io dia manana ny refiny sy ny hevitra ambadika nanaovana azy. Fotsy mangatsakatsaka manambara ny fahadiovana sy fahamarinana; ny mena midorehitra milaza ny fitiavan-tanindrazana sy fiandrianam-pirenena; ny maintso mivolona ahitra maneho ny fanantenana. Raha ny fipetrany, ny fotsy mitsangana, mena mitsivalana mifanongoa amin'ny maitso. Entanina ny Malagasy rehetra isan-tokantrano mba hanangan-tsaina amin’izao ankatoky ny Asaramanitra izao.

Lire la suite

Articles Similaires