• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sénat De Madagascar
Image
Vaovao

Antenimieran-doholona : Lahadinika miisa 11 no efa voamarina ho dinihin’ireo Loholona mandritra ny fivoriana ara-potoana

18/06/2024 16:31 © Moov

Ao anatin’ny fivoriana ara-potoanany voalohany izay nahemotra noho ny fifidianana ny loholona amin’izao fotoana izao. Efa voamarina fa miisa 11 ireo lahadinika hifampidinihan’izy ireo. Efa vita tamin’izany ny teti-bolam-panjakana nasiam-panovana 2024 (LFR) izay lany tsy nasiam-panitsiana. Efa nanomboka ny 4 jona izany ary haharitra iray volana.

Famatsiam-bola

Efa tsara petraka avokoa ny lahadinika rehetra hatramin’ny 1 jolay. Hibahan-toerana ao anatin’izany ny mahakasika ny famatsiam-bola isan-karazany. Araka izany dia tafiditra oa anatin’ny fivoriana ny fandaniana ny famatsiam-bola hatolotra ny tetik’asa ho fanampiana sy fampizakan-tena ary faharetan’ny tovovavy aty amin’ny faritra Afrika Atsinanana. Ny zoma 21 jona izao no handinihan’izy ireo ny mikasika izany. Tafiditra ao ihany koa ny fanampiana ny famatsiam-bola ho an’ny fanatsarana ny foibe famokarana herinaratra ao Ranomafana. Mifandray amin’izany ihany koa ny fampitomboana ny famatsiam-bola ho an’ny fampananana herinaratra ho an’ny tontolo ambany vohitra. Faritra efatra no tafiditra ao anatin’izany dia ny faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana ary Anôsy. Farany ny mikasika ny famatsiam-bola ho an’ny tetik’asa Talaky Be sy ny tetik’asa « Riz plus » na ilay famokarana sakafo maharitra ho an’ny mponina any ambany vohitra. Tsy kely ihany koa fa lehibe ao anatin’izany ny tokony ho fanovana amin’ny fidirambolan’ny Vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana mandritra ny fe-potoam-pifidianana ary koa ny fandaminana, ny fiasa ary ny andraikitry ny toerana.

Fanomezana alalàna

Tafiditra ao anatin’ny ho dinihina ihany koa ny mikasika ny fanomezana fahazoan-dalana. Ao anatin’izany ohatra ny fanomezana alalana an'i Madagasikara hiditra amin'ny "Accord de Georgetown". Ity farany ity izay natao ho fandrindrana ny fiaraha-miasan'ireo mpikambana aminy amin'ireo firenena eoropeanina mba hananana fiantraikany bebe kokoa amin'ny fifampiraharahana amin'ny fiaraha-miasa amin'ny Vondrona Eoropeana. Ankoatra izay anefa dia anisan’ny hifampidinihana ihany koa ny mety ho fankatoavana ny Fifanarahan'ny Vondrona Afrikana momba ny fiarovana an-tserasera sy ny fiarovana ny angon-drakitra manokana. Ity izay fantatra amin'ny anarana hoe "Convention Malabo".

Ho feno ny fandaharam-potoan’ireto Loholona ireto mandritra io iray volana io. Marihina anefa fa amin’izao fotoana izao dia efa misy ireo asa vita ankoatra io LFR io. Anisan’izany ny fifidianana izay ho filohan’ny vaomiera misahana ny Sosialy, ny Kolontsaina ary ny fifandraisana. Teo ihany koa ny fifidianana ny filohan’ny vondrona firahalahian’ireo Loholon’i Madagasikara antsoina hoe « Groupe d’amitié parlementaire du Sénat Madagasikara »

Lire la suite

Articles Similaires