• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mjs
Image
Vaovao

Sosialy : Nanomboka omaly ny dinika ho an'ny taranaka mifandimby andiany voalohany

18/06/2024 16:03 © Moov

Misy dinika ho an’ny taranaka mifandimby eto Madagasikara manomboka izao. Andiany voalohany ity tanterahina tao amin’ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ity.

Tonga nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny sekretera jeneraly teo anivon'ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena izay nisolotena ny Minisitra, Valery Ramonjavelo.

Fikajiana ny fiaraha-monina

Lohahevitra maro no nifampidinihana. Zava-dehibe indrindra ao anatin’izany ny fikajiana ny fiaraha-monina. Ny andraikitry ny tanora amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina misy azy no tena tanjon’ny hetsika. Araka izany dia lohahevitra lehibe ny fikajiana ny fiaraha-monina. Tafiditra oa anatin’izany ny fiarovana ny tanora amin'ny fitondrana vohoka aloha loatra sy amin'ny herisetra ary fanolanana ankizy tsy ampy taona. Eo ihany koa ny fanampiana azy ireo mba hizaka tena ho fanoitra ho an’ny fiarahamonina misy azy. Hodinihina noho izany ny fandraharahana miainga amin'ny tohivakam-pihariana ho an'ny tanora. Ao anatin’izany ihany koa ny fandraisana anjara ataon'ny tanora amin'ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana.

Fiarovana ny maha-malagasy

Zava-dehibe ho an’ny tanora ary anjara andraikitr’izy ireo ny miaro ny fenitra maha-malagasy. Anisan’ny lohahevitra mbola hodinihina ihany koa araka izany ny momba io. Anisan’izany ohatra ny fametrahana fikambanan'ny tanora miady amin'ny kolikoly any amin'ireo distrika izay voafaritra. Mila omena anjara asa ihany koa izy ireny amin’ny tontolon’ny fiarovana ny tontolo iainana. Mbola hifampidinihana ihany koa araka izany ny fandraisana anjara mavitrika ataon'ny tanora amin'ny fanasokajiana, fanangonana ary fanodinana ny fako ara-boajanahary sy plastika. Tsy ambakan’izany koa ny fandraisana anjaran'ny tanora amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sy amin'ny ady amin'ny fiovan'ny toetrandro.
Ampahatsiahivina fa ny ankamaroan’ny Malagasy dia tanora avokoa. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana izy ireo araka izany. Izany no anton’ity fifampidinihana ity mba hahafahana mijery ny andraikitr’izy ireo ho an’ny taniny.

Tanora miisa 2800 manerana ny distrika 7 no hisitraka ity tetik’asa ity. Tafiditra ao anatiny i Antananarivo Renivohitra, Fianarantsoa I, Mahajanga I, Toamasina I, Fandriana, Betroka ary Morondava.

Lire la suite

Articles Similaires